Skip to content

Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana,

Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny :

Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana, sy rehefa manao Takbir amin'ny fiondrehana, ary rehefa nanandratra ny lohany tamin'ny fiondrehany dia nanandratra azy roa koa; avy eo dia miteny hoe : “Samiallaho Liman Hamida, Rabbana Walakal-hamdo", ary tsy nanao izany izy rehefa niankohoka.

أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَرْفَعُ يَدَيْهِ حَذْوَ مَنْكِبَيْهِ إِذَا افْتَتَحَ الصَّلَاةَ، وَإِذَا كَبَّرَ لِلرُّكُوعِ، وَإِذَا رَفَعَ رَأْسَهُ مِنَ الرُّكُوعِ، رَفَعَهُمَا كَذَلِكَ أَيْضًا، وَقَالَ: «سَمِعَ اللَّهُ لِمَنْ حَمِدَهُ، رَبَّنَا وَلَكَ الحَمْدُ»، وَكَانَ لاَ يَفْعَلُ ذَلِكَ فِي السُّجُودِ.

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia manangana ny tànany amin'ny fotoana telo mandritra ny vavaka, manatrika na mahitsy eo amin'ny soroka, izany hoe : Ny taolana sy ny tratra. Ny fotoana voalohany : Rehefa manomboka ny vavaka amin'ny Takbir fanokafana. Faharoa : Raha miteny “Allaho Akbar” izy rehefa miondrika. Fahatelo : Rehefa manandratra ny lohany avy miondrika ka miteny manao hoe : “Samiallaho Liman Hamida, Rabbana Walakal-hamdo". Fa tsy nanangana ny tànany izy rehefa hiankohoka, na rehefa nitsangana avy niakohoka.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Anisan’ny fahendrena fonosin'ny fananganan-tànana amin’ny vavaka dia ravaky ny vavakabsy fanomezam-boninahitra an’i Allah Tsitoha.

Voaporofo fa nanandratra ny tànany tamin’ny fotoana fahefatra izy, araka ny fitantaran’i Abo Hamid al-Sa’idi sy ny voalazan’i Abou Daod sy ny hafa, izay rehefa mitsangana avy amin’ny tasahod voalohany ao amin’ny vavaka misy fizarana na rakkat telo sy efatra.

Voaporofo ihany koa fa nanandratra ny tànany hatreo amin’ny sofiny fa tsy nikasika izy, araka ny fitantaran’i Malik bin Al-Howayrith ao amin’ny boky Bokhari sy Moslim manao hoe : “Ny irak’i Allah dia nanandratra ny tànany mandra-pahatongany eo amin’ny sofiny”.

Ny fitenenana Samiallaho Liman Hamida dia voatokana ho an'ny Imam sy izay mivavaka irery fa ny mpivavaka manaraka ao aoriany dia miteny hoe : Rabbana Walakal-Hamdo.

Ny fitenenana hoe : “Rabbana Walakal-Hamdo", aorian’ny fiankohofana dia voaporofo fa nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ary misy fomba efatra izany, fa ny tsara indrindra dia ny fanarahan'ny olona iray amin'ireto manaraka ireto ary atao indray mandeha, ary ny hafa mba indray mandeha.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 148) (735).

Sahìh Moslim (1/ 292) (390).

Ny Fanampiny (6)

الإلمام بشرح عمدة الأحكام.

لإسماعيل الأنصاري (1/ 122).

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص151).

تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.

لابن عثيمين (2/ 192).