Skip to content

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao

Tatitra azo avy tamin'i Waràdi mpitan-tsoratr'i Al-Moghirah bin Sho'bah, izay nilaza hoe : Al-Moghirah bin Sho'bah dia nampanoratra ahy taratasy ho an'i Moa'wiyah :

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao rehetra manao hoe : “Là Ilàha Illallàho Wahdahò Là Sharìka Laho; Lahol Molko Walahol Hamdo Wahoa A'là Kolli Shai-in Qadìr. . Allahomma là Màni'a' limà à'twaita walà mo'tia limà mana'ta walà yanfa''' Zal djaddi minkal djaddi."

أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَقُولُ فِي دُبُرِ كُلِّ صَلَاةٍ مَكْتُوبَةٍ: «لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ، وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، اللَّهُمَّ لَا مَانِعَ لِمَا أَعْطَيْتَ، وَلَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ، وَلَا يَنْفَعُ ذَا الْجَدِّ مِنْكَ الْجَدُّ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) aorian'ny soalat tsy maintsy atao rehetra hoe : “Là Ilàha Illallàho Wahdahò Là Sharìka Laho; Lahol Molko Walahol Hamdo Wahoa A'là Kolli Shai-in Qadìr. . Allahomma là Màni'a' limà à'twaita walà mo'tia limà mana'ta walà yanfa''' Zal djaddi minkal djaddi." Izany hoe : Manaiky sy miaiky ny teny fanokanana an'Allah aho, izany dia ny hoe: Tsy misy Tompo Mariana mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, Ny fanompoam-pivavahana marina izay ekeko dia ho an'Allah, ary laviko amin'ny hafa rehetra izany. Tsy misy Tompo marina ivavahana afa-tsy Allah, ary ekeko fa Azy irery ihany ny fanjakana feno sy ny marina. Ny fideran'ny vahoakan'ny tany sy lanitra dia ho an’Allah Tsitoha, satria Izy no mahefa ny zava-drehetra, ary izay efa notendren'ny lahatr'Allah, fa hotolarana na hosakanana dia tsy misy afaka manohitra izany, ary eo anatrehany dia tsy misy dikany ny harenan'ny mpanankarena, fa ny asa soa no mahasoa azy.

ireo dikan-teny

أملى: ألقى علي لأكتب.

لا ينفع ذا الجد منك الجدّ: لا ينفع ذا الغنى منك غناه.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsara ny manonona io tonombavaka io aorian'ny soalat satria misy teny fanokanana an'Allah sy fiderana Azy.

Ny fahatsapan-tena amin'ny fanarahana ny Sonnat sy ny fanaparitahana azy.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 168) (844).

Sahìh Moslim (1/ 414) (593).

Ny Fanampiny (4)

عمدة القاري شرح صحيح البخاري (6/ 134).

المفهم لما أشكل من تلخيص كتاب مسلم (2/ 84).

النهاية في غريب الحديث والأثر (ص140).

البحر المحيط الثجاج في شرح صحيح الإمام مسلم بن الحجاج (13/ 181).