“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”.
Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa Al-Ashari (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”.
«إِنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ يَبْسُطُ يَدَهُ بِاللَّيْلِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ النَّهَارِ، وَيَبْسُطُ يَدَهُ بِالنَّهَارِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ اللَّيْلِ، حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِهَا».
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah Ilay Tsitoha dia manaiky ny fibebahana avy amin'ny mpanompony. Raha manota amin’ny antoandro ny mpanompo ka mibebaka amin’ny alina, dia hanaiky ny fibebahany i Allah, ary raha manao fahotana amin’ny alina izy ka mibebaka amin’ny antoandro, dia hanaiky ny fibebahany ihany koa i Allah. Ary Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany ho amin’ny fibebahana, noho ny fifaliany amin’izany, sy fankasitrahany azy ary misokatra hatrany ny varavaran’ny fibebahana mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, izay manambara ny fiafaran’izao tontolo izao, Rehefa miposaka avy any andrefana izy, dia mihidy ny varavaran’ny fibebahana.
Ny fanekena ny fibebahana dia mitohy hatrany raha mbola mivoha ny varavarany, ary mihidy ny varavarany rehefa miposaka avy any andrefana ny masoandro, ary raha mibebaka ny olona iray alohan’ny ora farany hialan'ny fofonainy, izy io dia ny fahatongavan’ny fanahy eo amin’ny tenda.
Tsy tokony ho kivy na very hevitra noho ny fahotana, fa malalaka ny famelan-keloka sy ny famindrampon’I Allah, ary misokatra ny varavaran’ny fibebahana.
Fepetra ny fibebahana : Ny voalohany : fialàna amin'ny fahotana, ny faharoa : fanenenana tamin'ny fanaovana azy, ary ny fahatelo : manapa-kevitra ny tsy hiverina amin’izany intsony, izany raha toa ka tamin'ny zon’I Allah no niharan'ny ota, ary raha mifandray amin’ny zon’ny mpanompo kosa, dia tsy maintsy averina amin'ny tompony izany zo izany ho mariky ny maha-marina ny fibebahana, na koa namela azy ilay manan-jo.
Sahìh Moslim (4/ 2113) (2759).
Ny Fanampiny (6)
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 35).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (1/ 103).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 55).
Cited in books
8 BooksNy Fanampiny (8)
- الذكر والدعاء والعلاج بالرقي من الكتاب والسنة"إن الله يبسط يده بالليل ليتوب مسيء النهار، ويبسط يده بالنهار ليتوب مسيء الليل، حتى تطلع الشمس من مغربها" .
- الله -جل جلاله- أنيس المحبين وملاذ القاصدين«إِنَّ اللهَ يَبْسُطُ يَدَهُ بِاللَّيْلِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ النَّهَارِ، وَيَبْسُطُ يَدَهُ بِالنَّهَارِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ اللَّيْلِ؛ حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِهَا»
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «إنَّ اللهَ تعالىٰ يَبْسُطُ يَدَهُ باللَّيْلِ ليَتُوبَ مُسِيءُ النَّهَارِ، ويَبْسُط يَدَهُ بالنَّهَارِ ليَتُوبَ مُسِيءُ اللَيْلِ، حَتَىٰ تَطْلُع الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِها».
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 3«إنَّ اللهَ تعالىٰ يَبْسُطُ يَدَهُ باللَّيْلِ ليَتُوبَ مُسِيءُ النَّهَارِ، وَيَبْسُطُ يَدَهُ بِالنَّهارِ لِيَتُوبَ مُسيءُ اللَّيْلِ، حتىٰ تطْلُعَ الشَّمسُ مِنْ مَغْرِبها».
- فتاوى المرضىفتاوى المرضى «إن الله عز وجل يبسط يده بالليل ليتوب مسيء النهار، ويبسط يده بالنهار ليتوب مسيء الليل، حتى تطلع الشمس من مغربها»
- مجموعة زاد العقيدة (2)1«إن ﷲ يبسُطُ يدَه بالليلِ ليتوبَ مسيءُ النهارِ، ويبسطُ يدَه بالنَّهارِ ليتوبَ مسيءُ الليلِ حتى تطلعَ الشمسُ من مغربِها»
- موسوعة الإيمان«إِنَّ اللهَ عز وجل يَبْسُطُ يَدَهُ بِاللَّيْلِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ النَّهَارِ، وَيَبْسُطُ يَدَهُ بِالنَّهَارِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ اللَّيْلِ، حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِهَا».
- نصوص مختارة للرمضانإِنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ يَبْسُطُ يَدَهُ بِاللَّيْلِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ النَّهَارِ، وَيَبْسُطُ يَدَهُ بِالنَّهَارِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ اللَّيْلِ، حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِهَا