Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'ny Olona iray dia ny famelany tanteraka sy fiatahany ireo raharaha izay tsy mahakasika Azy.
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'ny Olona iray dia ny famelany tanteraka sy fiatahany ireo raharaha izay tsy mahakasika Azy.
«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ المَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ».
Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa anisan’ny fahafenoan’ny hatsarany finoana ny Mpino silamo iray sy ny fahafenoan’ny finoany dia ny fialany amin’izay rehetra tsy mahakasika Azy, tsy mahaliana Azy, ary tsy mahasoa Azy amin’ny teny sy ny fihetsika, na izay tsy mahakasika Azy amin’ny resaka ara-pivavahana na eto an-tany. Ny fidirana amin’izay tsy mety amin’ny Olona iray dia mety hanelingelina Azy amin’izay mahakasika Azy, na hitarika Azy ho amin’izay tsy maintsy ialana. Hampamoahina amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty ny Olona iray.
Tsy mitovy ny Olona rehetra eo amin'ny lafiny finoana, ary mitombo ny hatsarana amin'ny alalan'ny fihetsika sasatsasany izay ataony.
Ny fialana amin'ny resaka tsy misy dikany sy ny resaka tsy misy antony dia porofon'ny fahafenoan'ny finoana eo amin'ny Olona iray.
Mamporisika ny Olona mba hifikitra amin’ny raharaha mahakasika Azy eo amin’ny lafiny fivavahana sy ny raharahan’izao tontolo izao. Raha ny fahatsaran'ny finoan'ny hafa ny miala amin'izay tsy mahakasika Azy, dia anisan'ny hatsaram-panahiny koa ny mibahana amin'izay mahakasika Azy.
Ibn al-Kayyomo (R.H) dia nilaza hoe : Ny Mpaminany(S.A.W) no namintina ny fivavahana rehetra tamin'ny teny iray, rehefa nilaza izy hoe : "Ampahany amin'ny hatsaran'ny finoan'ny olona iray ny fialany amin'ny zavatra tsy mahakasika azy". Anisan’izany ny fialana amin’izay tsy mahakasika azy : ny fitenenana, ny fijerena, ny fihainoana, ny famelezana, ny fandehanana, ny fisainana, ary ny fihetsika ivelany sy anatiny rehetra. Ity dia fanambarana feno momba ny fitiavam-bavaka.
Hoy i Ibn Rajab niteny ka nanao hoe : Ity Hadithe ity dia fitsipika fototra amin'ny fahalalam-pomba.
Mamporisika ny Olona mba hikatsaka mandrakariva ny fahalalana, Satria amin’ny alalan’izany no ahafantaran’ny Olona izay rehetra mahakasika Azy sy izay tsy mahakasika Azy.
Ny famporisihana amin'ny fanaovana ny tsara sy ny fandrarana ny amin'ny ratsy ary ny fanoroana hevitra dia anisany zavatra mampanahy ny Olona, Satria asaina manao izany Izy.
Tafiditra ho anisany amin'ny endrika ankapobeny ity Hadithe ity dia ny hoe : Manalavitra tanteraka izay tsy mahakasika ny Olona iray, ka anisan'izany dia ireo zavatra efa noraran'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha sy ny zavatra tsy tian'ny Mpaminany (S.W.A), ary koa ny zavatra tsy ilaina amin'ny raharahan'izao tontolo izao, toy ny fahamarinan'ny zavatra tsy hita sy ny antsipirian'ny fanapahana momba ny famoronana sy ny baiko, anisan'izany ny fanontaniana sy fikarohana momba ny zavatra efa voalahatra na tsy mitovy amin'ny zava-mitranga, na tsy mitovy amin'ny zavatra tokony hitranga, na tsy mitovy sy tsy azo eritreretina.
Sonan At-Tirmizì (4/ 136) (2317).
Sonan Ibn Màjah (5/ 118) (3976).
Ny Fanampiny (4)
Al-arba'ouna An-nawawiyyah (ص: 64) (ح12).
تحفة الأحوذي (6/ 500).
شرح الأربعين النووية للعثيمين (ص: 158).
الرياض الزكية شرح الأربعين النووية للخضير (ص 223).
Cited in books
15 BooksNy Fanampiny (15)
- الحديث زاد 4الحديث 4«منْ حُسْنِ إِسْلامِ المَرْءِ تَرْكُهُ ما لا يَعْنِيهِ».
- الحديث زاد 4الحديث 4«منْ حُسْنِ إِسْلامِ المَرْءِ تَرْكُهُ ما لا يَعْنِيهِ».
- الخطب المنبرية موسوعة الخطب المنبرية (القسم الثاني)«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ الْمَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ».
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «مِنْ حُسْنِ إسْلامِ الْمَرءِ تَرْكُهُ مَا لا يَعْنِيهِ».
- شرح الأربعين النووية«مِنْ حُسْنِ إسْلَامِ الْمَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ».
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ المَرْءِ: تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ»[80].
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (2)1«من حُسْنِ إسْلامِ المرءِ تركُهُ ما لا يُعنيهِ»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (2)1«من حُسنِ إسلامِ المرءِ تركُه ما لا يعنيه».
- مشروع المنهج التعليميمادة الحديث مستوى 2«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ المَرْءِ تَرْكُهُ ما لا يعْنِيهِ»
- مشروع منهاج زادكزادك 1 طالب«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ الْمَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ»
- مشروع منهاج زادكزادك 3 طالب نهائي«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ الْمَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ»
- مشروع منهاج زادكزادك 3 طالب نهائي«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ الْمَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا .........».
- مشروع منهاج زادكزادك 3 طالب نهائي«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ الْمَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ».
- مشروع منهاج زادكزادك عرض 3«مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ المَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ ».
- نبراس طالب (2)نبراس طالب (2) عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صلى الله عليه وسلم: «مِنْ حُسْنِ إِسْلَامِ الْمَرْءِ تَرْكُهُ مَا لَا يَعْنِيهِ»