Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

20 of 665 cards

Clear filters
Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : “Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka” Avy eo dia naka ravin-kazo mando izy, nozarainy roa, ary napetany teo amin’ny fasana tsirairay avy. Hoy ireo mpanaradiany : “Ry irak’Allah ô, nahoana ianao nanao an'io? Dia hoy izy : “Angamba hanome fanamaivanana ho azy ireo izany, raha mbola tsy maina izy roa (ravin-kazo).”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny devoly dia kivy ny hivavahan’ireo mpivavaka ao amin’ny faritra Arabo misy azy, nefa mbola manenjika azy ireo ihany izy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay milaza Hadith momba ahy izay heverina ho lainga dia voasokajy ho anisan'ny mpandainga izy."
Mari-pototra Notaterin'i Moslimo ao amin'ny sasinteniny.
Nandrara ny fanaovana Qaz’aa ny irak’Allah (S.A.W).
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'ny Olona iray dia ny famelany tanteraka sy fiatahany ireo raharaha izay tsy mahakasika Azy.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy
“ Ny Olona tena tsy Tian’i Allah indrindra dia ny olona tsy resy ambava ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny mpanozona dia tsy ho vavolombelona na mpanelanelana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( S.A.W) manao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Allah O ! ka mba inona avokoa moa ary izy ireo? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim