Skip to content

Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy :

Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".

كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا دَخَلَ الخَلاَءَ قَالَ: «اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنَ الخُبُثِ وَالخَبَائِثِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Isaky ny te-hiditra amin'ny toerana fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) na hipiy na hamoaka maloto dia mitady fiarovana amin'Allah ary mitodi-doha amin'Allah mba hiaro azy amin'ireo faharatsian'ny devoly lahy sy vavy. Ny Khobthi sy ny Khabàith koa dia nadika ho faharatsiana sy fahalotoana.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsara ny manonina ity Doan ity dia rehefa te hiditra ao amin'ny trano fidiovana.

Ny zavaboary rehetra dia mila ny Tompony mba hiaro azy amin'izay zavatra manimba azy na manisy ratsy azy amin'ny toe-javatra rehetra misy azy.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 40) (142).

Sahìh Moslim (1/ 283) (375).

Ny Fanampiny (4)

الإلمام بشرح عمدة الأحكام.

لإسماعيل الأنصاري (1/ 23).

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص36).