Skip to content

“Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”.

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Tsy eken’i Allah ny fivavahan’ny olona iray aminareo raha nangetotra izy mandra-panaony ny fanadiovana masina (ouzou)”.

«لَا يَقْبَلُ اللهُ صَلَاةَ أَحَدِكُمْ إِذَا أَحْدَثَ حَتَّى يَتَوَضَّأَ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) fa fepetra takina mba hahatomombana ny fivavahana swalat : dia ny fahadiovana, ka izay te hivavaka dia tsy maintsy manao Ouzou rehefa nanao zavatra manafoana ny ouzou. Toy ny fivoahana, na fipipizana, na torimaso lalina sns...

ireo dikan-teny

لا يقبَل: لا يعتبر ولا يعتد.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Swalat-n'ny olona nivoahan'ny loto dia tsy azo ekena raha tsy mandro noho ny loto lehibe ary ouzou kosa raha loto kely.

Ny ouzou dia ny fakana rano, fanontsanana azy ao am-bava ary mamoaka izany, avy eo misintona ny rano amin'ny fofonainy mankany anaty orony, avy eo mamoaka izany, avy eo manasa ny tavany intelo, dia manasa tànana hatreo amin'ny kiho in-telo, dia safoina indray mandeha ny lohany iray manontolo, ary manasa ny tongony roa hatreo amin’ny kitrokeliny intelo.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (9/ 23) (6954).

Sahìh Moslim (1/ 204) (225).

Ny Fanampiny (4)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص17).

تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.

لابن عثيمين (1/ 11).