عربي - Arabic English Qafár af - Afar Afrikaans - Afrikanns Akan Shqip - Albanian አማርኛ - Amharic Հայերեն - Armenian অসমীয়া - Assamese Azərbaycanca - Azerbaijani Bamanankan - Bambara Bassa Bemba বাংলা - Bengali Bosanski - Bosnian Български - Bulgarian မြန်မာဘာသာ - Burmese Bisaya - Cebuano Cham Нохчий - Chechen chiCheŵa - Chewa 中文 - Chinese Адыгэбзэ - Circassian Hrvatski - Croatian Česky - Czech Dagbani Dansk - Danish فارسی دری - Dari Dendi ދިވެހި ބަސް - Dhivehi Nederlands - Dutch إستوني - Estonian Suomi - Finnish Français - French Fulfulde - Fula ქართული - Georgian Deutsch - German Ελληνικά - Greek ગુજરાતી - Gujrati Kreyòl ayisyen - Haitian Creole Hausa हिन्दी - Hindi Magyar - Hungarian Igbo Indonesia - Indonesian Italiano - Italian 日本語 - Japanese Jóola - Jola ಕನ್ನಡ - Kannada Қазақша - Kazakh ភាសាខ្មែរ - Khmer Kikuyu Ikinyarwanda - Kinyarwanda Ikirundi - Kirundi 한국어 - Korean كوردی سۆرانی - kurdish كوردي kurmancî - Kurmanji Kyrgyz ລາວ - Lao latviešu - Latvian Lingala lietuvių - Lithuanian Luganda Македонски - Macedonian Maguindanaon Malagasy - Malagasy Bahasa Melayu - Malay മലയാളം - Malayalam Mandinka मराठी - Marathi Mõõré - Moore नेपाली - Nepali أنكو - NKo Norwegian ଓଡ଼ିଆ - Odia oromoo - Oromo پښتو - Pashto فارسی - Persian Polski - Polish Portuguese ਪੰਜਾਬੀ - Punjabi Română - Romanian Русский - Russian Српски - Serbian Shona සිංහල - Sinhala Slovenščina - Slovenian Soomaaliga - Somali Soninke Sesotho - Sotho Español - Spanish Kiswahili - Swahili Svenska - Swedish Tagalog Тоҷикӣ - Tajik தமிழ் - Tamil తెలుగు - Telugu ไทย - Thai ትግረኛ - Tigrinya Türkçe - Turkish Ukrainian اردو - Urdu ئۇيغۇرچە - Uyghur Ўзбек - Uzbek Việt Nam - Vietnamese Wolof Yao Yorùbá - Yoruba Zarma زولو - Zulu
665 Hadiths
Encyclopedia of Prophetic Hadiths
Grading
Narrated in
Narrator
Show all narrators (202)
Ny reniny, zanak'i Rawaha nangataka ampahan-karena tamin'ny rainy ho an-janany, ka notehiriziny nandritra ny herintaona izany ary nasehony azy, dia hoy izy : Tsy ekeko izany, Mandra-pijoroanao ho vavolombelona amin’ny irak’Allah (S.A.W), Ka noraisin’ny raiko ny tànako fony aho mbola zaza tamin’izany fotoana izany, dia tonga tany amin’ny irak’Allah ka niteny manao hoe : Ry irak’Allah, ny renin’ity dia zanakavavin’i Rawaha, Tiany ny hijoroako vavolombelonna amin'izay nomeko ny zanany, ka hoy ny irak’Allah manao hoe : “Ry Bashir, manan-janaka hafa ankoatr’ity ve ianao?” Hoy izy : Eny, avy eo dia hoy izy : “Nomenao zavatra toy izao ve izy ireo?” Hoy izy : Tsia, hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Aza avela hijoro vavolombelona amin'izany aho, satria tsy mijoro vavolombelona amin'ny tsy rariny aho", ary amin'ny fitantaran'ny Moslim : "Dia ampijorory vavolombelona amin'ny olona ankoatra ahy".
Mari-pototra Notaterin'i Al-boukhàri sy Mouslimo ary manana teny maro samihafa.
"Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny ohatra eo amin'ny mpino amin'ny fifankatiavan'izy ireo sy ny fifamindram-pony ary ny fifangorahany dia toy ny vatana iray, raha mitaraina ny singany amin'izany dia ny vatana iray manontolo no mifampiantso tsy hatory sy amin'ny tazo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ohatry ny olona mijoro amin'ny lalànan'Allah sy izay tafalatsaka ao anatiny, dia toy ny andian'olona nandeha sambo ka nanao antsapaka; ka ny sasany nahazo ny toerana ambony ny sasany kosa eny ambany, Ka rehefa tia hahazo rano ireo aty ambany dia tsy maintsy miakatra amin'ny zareo any ambony, dia niteny izy ireo hoe : Maninona raha lavahantsika ato ambany amin'ny toerana misy atsika ity mba tsy hanelingelina zareo any ambonintsika, Ka raha navelan'ireo tany ambony hanao izay tiany hatao ry zareo dia samy rendrika avokoa, fa raha norarany kosa dia samy avotra daholo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana”, ary namaky Izy nanao hoe : “ Ary hoy ny Tomponareo nanao hoe : ‘Antsoy Aho, fa dia hovaliako Ianareo, eny, ireo izay manao tsinontsinona ny fanompoana Ahy dia hiditra amin’ny helo amin’ny henatra.’” [Ghafir: 60].
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad