Skip to content

" Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe :

" Ny doboko (bassin) dia halaviran-dàlana iray volana, fotsy noho ny ronono ny ranony, manitra noho ny misk ny fofony, ary tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny zingany, ka izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

«حَوْضِي مَسِيرَةُ شَهْرٍ، مَاؤُهُ أَبْيَضُ مِنَ اللَّبَنِ، وَرِيحُهُ أَطْيَبُ مِنَ المِسْكِ، وَكِيزَانُهُ كَنُجُومِ السَّمَاءِ، مَنْ شَرِبَ مِنْهَا فَلاَ يَظْمَأُ أَبَدًا».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza i Mpaminany (S.A.W) fa hanana dobo izy amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, ny halavany dia mitovy amin'ny halaviran-dàlana iray volana ary mitovy amin'izany ihany koa ny sakany. Fotsy noho ny ronono ny ranony. Manitra be ny fofony, tsara noho ny hanitry ny Misky. Ary ny zingany dia tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra noho ny hamaroany. Izay misotro amin'io dobo lehibe io amin'ny alàlan'ireo zinga ireo dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny dobon'ny Mpaminany (S.A.W) dia fitambaran'ny renirano lehibe izay hierenan'ireo Mpino amin'ny vahoakany amin'ny andro fitsanganana.

Fahazahoana fahasoavana lehibe ho an'izay misotro amin'ny dobo ka tsy hangetaheta intsony mandrakizay.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 119) (6579).

Sahìh Moslim (4/ 1793) (2292).

Ny Fanampiny (4)

المفهم (6/91).

فتح الباري (11/472).

التنوير شرح الجامع الصغير (5/387).

فتح المنعم شرح صحيح مسلم (9/125).