O rankizy ! Ireto misy teny maromaro hampianariko Anao: Arovy ireo didin'i Tompo Allah dia hiaro Anao Izy; arovy ireo didin'i Tompo Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka zavatra Ianao dia mangataha amin'i Tompo Allah
Tatitra azo avy tamin'i Abo al-Abbas, Abdollah ibn Abbasy (R.A) no nilaza hoe : Indray andro aho dia tao ambadiky ny irakan'i Tompo Allah, dia hoy Izy hoe :
O rankizy ! Ireto misy teny maromaro hampianariko Anao: Arovy ireo didin'i Tompo Allah dia hiaro Anao Izy; arovy ireo didin'i Tompo Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka zavatra Ianao dia mangataha amin'i Tompo Allah; raha hangata-pitahiana Ianao dia mangataha fitahiana amin'i Tompo Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra ka mba mila hanasoa Anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa Anao izy ireo afa-tsy amin'izay zavatra efa nosoratan'i Tompo Allah ho azonao; ary raha hitambatra ihany koa izy ireo mba hanisy ratsy Anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanisy ratsy Anao izy ireo afa-tsy amin'ireo zavatra efa nosoratan'i Tompo Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka. Ary ao amin'ny fanambaran'i TIRMIZIOU : arovy ireo didin'i Tompo Allah dia ho tojonao manoloana Anao eo Izy; manaova fantatrin'i Tompo Allah Ianao amin'ny fotoan'ny fiadanana dia ho fantany Ianao amin'ny fotoan'ny fahasahiranana. Ary fantaro fa izay voalahatra tsy ho voa Anao dia tsy ho voa Anao mihitsy, ary izay voalahatra ho voa Anao dia tsy handiso Anao mihitsy; fantaro fa ny fandresena dia azo am-piaretana, ary ny vahaolana dia manaraka ny olana, ary misy fahamorana hatrany miaraka amin'ny fahasarotana.
«يَا غُلَامِ! إنِّي أُعَلِّمُك كَلِمَاتٍ: احْفَظِ اللَّهَ يَحْفَظْكَ، احْفَظِ الله تَجِدْهُ تُجَاهَكَ، إذَا سَأَلْتَ فَاسْأَلِ اللهَ، وَإِذَا اسْتَعَنْتَ فَاسْتَعِنْ بِاَللهِ، وَاعْلَمْ أَنَّ الأُمَّةَ لَوْ اجْتَمَعَتْ عَلَى أَنْ يَنْفَعُوكَ بِشَيْءٍ لَمْ يَنْفَعُوكَ إلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللَّهُ لَكَ، وَإِنِ اجْتَمَعُوا عَلَى أَنْ يَضُرُّوكَ بِشَيْءٍ لَمْ يَضُرُّوكَ إلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللَّهُ عَلَيْكَ؛ رُفِعَتِ الأَقْلَامُ، وَجَفَّتِ الصُّحُفُ». وَفِي رِوَايَةِ غَيْرِ التِّرْمِذِيِّ: «احْفَظِ اللهَ تَجِدْهُ أَمَامَكَ، تَعَرَّفْ إلَى اللهِ فِي الرَّخَاءِ يَعْرِفْكَ فِي الشِّدَّةِ، وَاعْلَمْ أَنَّ مَا أَخْطَأَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُصِيبَكَ، وَمَا أَصَابَك لَمْ يَكُنْ لِيُخْطِئَكَ، وَاعْلَمْ أَنَّ النَّصْرَ مَعَ الصَّبْرِ، وَأَنْ الفَرَجَ مَعَ الكَرْبِ، وَأَنَّ مَعَ العُسْرِ يُسْرًا».
I Ibn A'bbàsy (R.A) dia mitantara fa tamin'ny Izy fony mbola kely nitaingina niaraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A), dia hoy Izy Taminy hoe : Hampianatra Anao ireo zavatra izay hanasoavan'i Tompo Allah Anao Aho : Arovy i Tompo Allah amin’ny fitandremana ireo didiny sy ny fisitahana an'ireo fandrarany, mba hahitany Anao ao anatin’ny fankatoavana Azy sy ny fanakaikazana Azy, ary tsy ho hitany mihitsy ao anatin’ny tsy fankatoavana sy ny fahotana. Ary raha hanao izany rehetra izany Ianao dia ny valisoa omeny Anao ny fiarovany Anao amin'ny haratsiana eto an-tany sy ny any ankoatra, ary omeny fandresena amin'ny asa ataonao na aiza na aiza ny toerana halehanao. Raha tia hangataka zavatra Ianao dia aza mangataka afa-tsy amin’i Tompo Allah irery ihany, Satria Izy irery no mamaly ireo mpangataka. Ary raha mila fanampiana Ianao dia mitadiava fanampiana amin’i Tompo Allah. Ary aoka hanana toky feno Ianao fa tsy hisy fahasoavana ho tonga Aminao, na dia mifarimbona ny hanasoa Anao ny Olona rehetra ambonin'ny tany, dia tsy hisy zavatra azonao afa-tsy izay efa nosoratan'i Tompo Allah ho Anao ihany, ary tsy hisy loza hanjo Anao, na dia nitambatra hanimba Anao aza ny Olona rehetra ambonin'ny tany, afa-tsy izay efa nosoratan'i Tompo Allah hahavoa Anao. Io raharaha io dia nosoratan’i Tompo Allah Ilay Avo avo Tsitoha ary nalahatrany mifanaraka amin'ny fahendreny sy ny fahalalany, ary tsy misy fanovana amin'izay efa vosaoratr'i Tompo Allah. Fa izay miaro an’i Tompo Allah amin’ny alàlan’ny fitandremana ny didiny sy ny fialana amin’ny fandrarany, dia eo anoloan’ny mpanompony i Tompo Allah, Ilay Avo Indrindra, mahafantatra ny toe-javatra misy azy ary manohana azy. Raha mankatò an’i Tompo Allah amin’ny fotoan-tsarotra ny Olona iray, dia homen’i Tompo Allah fanamaivanana sy fivoahana izy amin’ny fotoan-tsarotra. Aoka ny mpanompo tsirairay ho afa-po amin’izay tsara sy ratsy rehetra nataon’i Tompo Allah ho Azy. Amin’ny fotoan’ny fahoriana sy ny fotoan-tsarotra dia tsy maintsy manam-paharetana ny mpanompo, Satria ny faharetana no fanalahidin’ny fanamaivanana. Rehefa mafy ny fahoriana dia avy amin’i Tompo Allah ny fanamaivanana, ary rehefa tonga ny fahasahiranana dia harahin’i Tompo Allah moramora izany.
Ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ireo zaza sy ny ankizy momba ny finoana, toy ny fanokanana an'Allah sy ny fahalalam-pomba ary ny ankoatr'izay.
Ny valisoa rehetra dia mifanaraka amin'ny asa atao.
Voadidy ny miantehitra amin'Allah, sy fitokisana azy tsy misy ankoatrany, ary izy no mpiahy tsara indrindra.
Ny finoana ny anjara sy ny lahatra ary ny fahafaham-po amin’izany, ary Allah nandahatra ny zavatra rehetra.
Izay manary ny didin’Allah, dia hamery azy Allaharya tsy hiaro azy.
Ny vaovao mahafaly dia ny hoe raha iharan'ny fahasahiranana ny Olona iray, dia tokony hiandry ny fanamaivanana Izy.
Ny fampiononana ho an’ny mpanompo iray rehefa misy manjo Azy, sy ny famoizana ny Olon-tiany, dia ao amin’ny teniny manao hoe : “Ary fantaro fa izay nanjo Anao rehetra dia tsy nohony avy amin'ny fahadisoana nataonao, ary izay zavatra rehetra tsy azonao dia tsy ho tody Aminao”. Ny fehezanteny voalohany dia fampiononana amin'ny fisehoan'ny loza, ary ny faharoa dia fampiononana noho ny fahafatesan'ny Olon-tiany.
Sonan At-Tirmizì (4/ 284) (2516).
Ny Fanampiny (5)
التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثًا النووية (ص42).
شرح الأربعين النووية.
لابن عثيمين (ص200).
فتح القوي المتين في شرح الأربعين وتتمة الخمسين.
للعباد (ص69).
Cited in books
16 BooksNy Fanampiny (16)
- الإلحاد - إعلان نجاح أم فشل؟إِذَا سَأَلْتَ فَاسْأَلْ اللَّهَ، وَإِذَا اسْتَعَنْتَ فَاسْتَعِنْ بِاللَّهِ. رواه الترمذي.
- العلم الواجب بدون فقه وبدون زيادات1(احْفَظِ اللهَ تَجِدْهُ أَمَامَكَ، تَعَرَّفْ إِلَى اللَّهِ فِي الرَّخَاءِ يَعْرِفْكَ فِي الشِّدَّةِ، وَاعْلَمْ أَنَّ مَا أَخْطَأَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُصِيبَكَ، وَمَا أَصَابَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُخْطِئَكَ، وَاعْلَمْ أَنَّ النَّصْرَ مَعَ الصَّبْرِ،
- تجربة 12-10-2025جزء تجريبي«يا غلام، إني أعلمك كلمات: احفظ الله يحفظك، احفظ الله تجده تجاهك، إذا سألت فاسأل الله، وإذا استعنت فاستعن بالله، واعلم: أن الأمة لو اجتمعت على أن ينفعوك بشيء لم ينفعوك إلا بشيء قد كتبه الله لك، وإن اجتمعوا على أن يضروك بشيء لم يضروك إلا بشي
- حراسة التوحيدإقامة البراهين على حكم من استغاث بغير الله«احْفَظِ اللهَ يَحْفَظْكَ، احْفَظِ اللهَ تَجِدْهُ تُجَاهَكَ، إِذَا سَأَلْتَ فَاسْأَلِ اللهَ، وَإِذَا اسْتَعْنَتَ فَاسْتَعِنْ بِاللهِ».
- خذ عقيدتك من الكتاب والسنة الصحيحة«إذا سألت فاسأل الله، وإذا استعنتَ فاستعِنْ بالله»
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «احْفَظِ اللهَ تَجِدْهُ أمَامَكَ، تَعَرَّفْ إلىٰ الله في الرَّخَاءِ يَعْرِفْكَ في الشِّدَّةِ، وَاعْلَمْ أنَّ مَا أخْطَأكَ لَمْ يَكُنْ لِيُصِيبَكَ، وَمَا أصَابَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُخْطِئَكَ، وَاعْلَمْ أنَّ النَّصْرَ مَعَ الصَّبْرِ، وَأنَّ الْف
- شرح الأربعين النووية«يَا غُلَامِ! إنِّي أُعَلِّمُك كَلِمَاتٍ: احْفَظْ اللَّهَ يَحْفَظْك، احْفَظْ اللَّهَ تَجِدْهُ تُجَاهَك، إذَا سَأَلْت فَاسْأَلِ اللَّهَ، وَإِذَا اسْتَعَنْت فَاسْتَعِنْ بِاَللَّهِ، وَاعْلَمْ أَنَّ الْأُمَّةَ لَوْ اجْتَمَعَتْ عَلَى أَنْ يَنْفَ
- شرح الأربعين النووية«احْفَظْ اللَّهَ تَجِدْهُ أَمَامَكَ، تَعَرَّفْ إلَى اللَّهِ فِي الرَّخَاءِ يَعْرِفْكَ فِي الشِّدَّةِ، وَاعْلَمْ أَنَّ مَا أَخْطَأَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُصِيبَكَ، وَمَا أَصَابَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُخْطِئَكَ، وَاعْلَمْ أَنَّ النَّصْرَ مَعَ الصَّبْرِ
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«يَا غُلَامُ، إِنِّي أُعَلِّمُكَ كَلِمَاتٍ: احْفَظِ اللَّهَ يَحْفَظْكَ، احْفَظِ اللَّهَ تَجِدْهُ تُجَاهَكَ، إِذَا سَأَلْتَ فَاسْأَلِ اللَّهَ، وَإِذَا اسْتَعَنْتَ فَاسْتَعِنْ بِاللَّهِ، وَاعْلَمْ: أَنَّ الأُمَّةَ لَوِ اجْتَمَعَتْ عَلَى أَنْ
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (2)1«واعلمْ أنَّ النَّصْرَ مع الصَّبرِ».
- مجموعة زاد الحديث(3)1(رُفعَت الأَقْلامُ، وَجَفّت الصُّحُفُ)
- مشروع منهاج زادكزادك 2 طالب نهائي«وَاعْلَمْ أَنَّ الأُمَّةَ لَوْ اجْتَمَعَتْ عَلَى أَنْ يَنْفَعُوكَ بِشَيْءٍ لَمْ يَنْفَعُوكَ إِلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللهُ لَكَ، وَلَوْ اجْتَمَعُوا عَلَى أَنْ يَضُرُّوكَ بِشَيْءٍ لَمْ يَضُرُّوكَ إِلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللهُ عَل
- مشروع منهاج زادكزادك 3 طالب نهائي«إِذَا سَأَلْتَ فَاسْأَلِ اللهَ، وَإِذَا اسْتَعَنْتَ فَاسْتَعِنْ بِاللهِ»
- مشروع منهاج زادكزادك 3 طالب نهائي«رُفِعَتِ الأَقْلَامُ، وَجَفَّتِ الصُّحفُ»
- موسوعة الإيمان«يَا غُلَامُ، إِنِّي أُعَلِّمُكَ كَلِمَاتٍ: احْفَظِ اللَّهَ يَحْفَظْكَ، احْفَظِ اللَّهَ تَجِدْهُ تُجَاهَكَ، إِذَا سَأَلْتَ فَاسْأَلِ اللَّهَ، وَإِذَا اسْتَعَنْتَ فَاسْتَعِنْ بِاللَّهِ، وَاعْلَمْ أَنَّ الأُمَّةَ لَوِ اجْتَمَعَتْ عَلَى أَنْ ي
- نبراس طالب (2)نبراس طالب (2) عَن ابنِ عباسٍ رضي الله عنه قَالَ: كنت خلف النَّبيِّ صلى الله عليه وسلم يومًا، فَقَالَ: «يَا غُلامُ، إنِّي أعلِّمُكَ كَلِمَاتٍ: احْفَظِ اللهَ يَحْفَظْكَ، احْفَظِ اللهَ تَجِدْهُ تُجَاهَكَ، إِذَا سَألْتَ فَاسأَلِ اللهَ، وإِذَا اسْتَعَنْتَ فَا