Skip to content

"Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona".

Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona".

«لَا تَقُولُوا: مَا شَاءَ اللهُ وَشَاءَ فُلَانٌ، وَلَكِنْ قُولُوا: مَا شَاءَ اللهُ ثُمَّ شَاءَ فُلَانٌ».

Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad
Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra
Ny fanazavana

Nandrara ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fitenenan'ny mpino silamo amin'ny teniny hoe : "Raha sitrak'i Allah sy sitrak'i ranona", Na raha sitrak'Allah sy i ranona; Satria ny sitrapon'Allah sy izay tiany dia tsy misy fetrany ary tsy misy miara-miombona aminy amin'izany, Ka ny fampiasana ny matoan-teny mpampitohy etoana dia manambara fa misy hafa mpiara-miombona amin'Allah ary mitovy tantana izy roa. Saingy aoka hiteny izy hoe : Raha sitrak'Allah, avy eo raha sitrak'i ranona, Noho izany dia ataony manaraka ny sitrapon’Allah ny sitrapon’ilay mpanompo amin’ny filazana hoe : “avy eo” fa tsy hoe “sy”, satria ny hoe “avy eo” dia midika ho manaraka sy aorina.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Voarara ny fitenenana : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao", sy izay fiteny mitovitovy amin'izany, amin'ny fampiasana matoan-teny mpampitohy; satria izany dia teny sy voambolana shirk.

Azo atao ny miteny : "Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrakao", sy izay teny mitovitovy amin'izany; Satria tsy misy fandrarana ny amin'izany.

Fanamafisana fa Allah dia manana ny sitrapony, ary ny mpanompo dia manana ny sitrapony, fa ny sitrapon’ny mpanompo dia tsy maintsy manaraka ny sitrapon’Allah ilay Tsitoha.

Voarara ny fampitambarana ny zava-boahary amin'ny sitrak'Allah na dia amin'ny fomba fiteny fotsiny aza.

Raha mino ny mpiteny fa ny sitrapon'ny mpanompo dia mitovy amin'ny sitrak'Allah, mitovy amin'izany amin'ny fahafenoana sy tsy misy fetrany, na ny mpanompo manana sitrapo mahaleo tena, dia shirk lehibe izany, fa raha mino kosa izy fa ambany noho izany dia Shirk kely.

Loharano iverenana

Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì (9/ 361) (10755).

Sonan Abo Daòd (7/ 334) (4980).

Mosnad Ahmad (38/ 299) (23265).

(38/ 364) (23339).

Ny Fanampiny (4)

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

لمحمد القرعاوي (ص368).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص329).