Skip to content

"Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa".

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

"Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa".

«إِنَّ الرِّفْقَ لَا يَكُونُ فِي شَيْءٍ إِلَّا زَانَهُ، وَلَا يُنْزَعُ مِنْ شَيْءٍ إِلَّا شَانَهُ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W), fa ny hatsaram-panahy, ny fahamoram-po ary ny fahatsorana amin’ny teny sy izay atao dia mahatonga ny zavatra iray ho tsara tarehy, tonga lafatra ary mahafinaritra, ary azo inoana kokoa fa ny olona manao izany dia mahatsapa fa nahazo izay ilainy. Ny tsy fananana fahatsorana dia mampihena lanja sy manaratsy ary manakana ny olona hahazo ny zavatra ilainy, fa na dia azony aza ny zavatra ilainy fa kosa tao anatin'ny fahasahiranana.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Famporisihana amin'ny fananana toetra malefaka sy ny fahatsorana.

Ny fahatsorana dia mandravaka sy manatsara ny olona iray, ary izany no antony lehibe hahazoany hatsarana rehetra amin'ny lafiny ara-pinoana sy ara-piainana.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (4/ 2004) (2594).

Ny Fanampiny (4)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 683).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص414).