Skip to content

“Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny.

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Ianareo rehetra dia tompon'andraikitra ka ho anontaniana amin'ny andraikiny. Ny mpitondra ny vahoaka dia tompon'andraikitra ary ho hanontaniana momba azy ireo, ary ny lehilahy kosa dia tompon’andraikitra amin'ny ankohonany ary ho hanontaniana amin’izy ireo, ary ny vehivavy dia tompon'andraikitra ny tranon’ny vadiny sy ny zanany, ary hanontaniana momba azy ireo, ary ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny, ary izy dia ho antontaniana amin'izany, noho izany : Dia ianareo rehetra tompon'andraikitra ary ho hanontaniana amin'ny andraikinareo avy".

«كُلُّكُمْ رَاعٍ فَمَسْئُولٌ عَنْ رَعِيَّتِهِ، فَالأَمِيرُ الَّذِي عَلَى النَّاسِ رَاعٍ وَهُوَ مَسْئُولٌ عَنْهُمْ، وَالرَّجُلُ رَاعٍ عَلَى أَهْلِ بَيْتِهِ وَهُوَ مَسْئُولٌ عَنْهُمْ، وَالمَرْأَةُ رَاعِيَةٌ عَلَى بَيْتِ بَعْلِهَا وَوَلَدِهِ وَهِيَ مَسْئُولَةٌ عَنْهُمْ، وَالعَبْدُ رَاعٍ عَلَى مَالِ سَيِّدِهِ وَهُوَ مَسْئُولٌ عَنْهُ، أَلاَ فَكُلُّكُمْ رَاعٍ وَكُلُّكُمْ مَسْئُولٌ عَنْ رَعِيَّتِهِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay eo amin'ny fiaraha-monina dia samy manana andraikitra izay tsy maintsy hiandraiketany sy hiantsorohany. Ny mpitarika sy ny mpitondra no tompon'andraikitra amin'ny zavatra nankinin’Allah taminy, tsy maintsy miaro ny lalàn’izy ireo, miaro azy ireo amin'ny mpanao tsy rariny aminy, miady amin’ny fahavalony, ary tsy manary ny zon'izy ireo. Ny lehilahy ao amin’ny ankohonany dia voadidy hanome izay ilain’izy ireo, hitondra tsara azy ireo, hampianatra azy ireo ary hanitsy azy ireo. Ny vehivavy ao an-tranon’ny vadiny dia tompon'andraikitra amin'ny fitantanana mendrika ny tranony sy ny fitaizana ny zanany, ary izy no hohanontaniana amin’izany. Ny andevo sy ny mpiasa dia tompon'andraikitra amin'ny fananan'ny lehibeny eo amin'ny fiarovany ny harena eo an-tanany, sy ny fikarakarany azy, ary izy dia ho hanontaniana amin'izany. Samy tompon'andraikitra amin'izay nankinina taminy ny tsirairay, ary samy ho hanontaniana amin’ny andraikiny avy.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny andraikitra eo amin’ny fiarahamonina silamo dia midadasika, ary ny tsirairay dia samy manana ny anadraikitra tandrify azy araka ny fahaizany sy ny heriny ary ny adidy sahaniny.

Ny maha lehibe ny andraikitry ny vehivavy, izany dia noho ny fanatanterahana ny adidy ao an-tokatranon’ny vadiny sy amin’ny zanany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (3/ 150) (2554).

Sahìh Moslim (3/ 1459) (1829).

Ny Fanampiny (4)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 369).

إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري.

القسطلاني (4/ 326).