Skip to content

Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bordah bin Abi Mosa (R.A) niteny :

Nanaintaina mafy i Abo Mosa, ary nitolefika teo am-pofoan'ny vehivavy iray avy amin'ny fianakaviany ny lohany, ary tsy afaka namaly azy, dia hoy izy : “Izaho dia manalavitra izay zavatra nalavirin'ny Mpaminany (S.A.W), Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba.

وَجِعَ أَبُو مُوسَى وَجَعًا شَدِيدًا، فَغُشِيَ عَلَيْهِ وَرَأْسُهُ فِي حَجْرِ امْرَأَةٍ مِنْ أَهْلِهِ، فَلَمْ يَسْتَطِعْ أَنْ يَرُدَّ عَلَيْهَا شَيْئًا، فَلَمَّا أَفَاقَ، قَالَ: أَنَا بَرِيءٌ مِمَّنْ بَرِئَ مِنْهُ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، إِنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بَرِئَ مِنَ الصَّالِقَةِ وَالحَالِقَةِ وَالشَّاقَّةِ.

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Notantarain'I Abo Bordah (R.A) fa ny rainy, Abo Mosa Al-Ash'ari, dia narary mafy ary torana, ary ny lohany dia teo am-pofoan'ny vehivavy iray avy amin'ny fianakaviany. Nitomany sy nihiakihaka izy, saingy tsy nahavaly na inona na inona izy noho ny tsy fahatsiarovan-tena. Rehefa sitrana izy, dia hoy izy : Izaho dia manalavitra tamin’izay nalavirin’ny Mpaminany (S.A.W), ary i Mpaminany (S.A.W) nanalavitra tamin'ny : Mihiakihaka : Izany dia mampiakatra ny feony rehefa tra-doza. Ny mpanao sola : Izany dia fanapahana ny volony raha sendra loza. Ary mpandrovitra : izany dia mandrovitra ny akanjony raha sendra loza. Satria izany rehetra izany dia isany asa fanaon'ny olona vanompotoan'ny habadoana, fa kosa i Mpaminany (S.A.w) nanome baiko mba hanam-paharetana manoloana ny loza, ary hikatsaka ny valisoa avy amin'I Allah.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Voarara ny mandrovitra akanjo, na manapa-bolo, na mampiaka-peo rehefa misy loza, satria fahotana lehibe ireo.

Tsy voarara ny alahelo sy ny fitomaniana fa tsy midradradradra na mampiakatra ny feony, Satria izany dia manafoana ny faharetana amin'ny lahtr'I Allah, fa kosa izy io dia ary famindram-po avy amin'I Allah.

Voarara ny fahatezerana amin’ny didy mampalahelo avy amin'I Allah amin’ny alàlan’ny teny na ny fihetsika atao.

Voadidy ny faharetana rehefa misy loza.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (2/ 81) (1296).

Sahìh Moslim (1/ 100) (104).

Ny Fanampiny (4)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

لعبد الله البسام (ص287).

تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.

لابن عثيمين (2/ 371).