Skip to content

“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.” Hoy i Abo Ayob : “Rehefa tonga tany Shami izahay dia nahita ireo kabone namboarina nitodika tany amin'ny kiblat, ka novainay izany ary mangataka famelan-keloka tamin’i Allah Ilay Tsitoha.

«إِذَا أَتَيْتُمُ الغَائِطَ فَلاَ تَسْتَقْبِلُوا القِبْلَةَ، وَلاَ تَسْتَدْبِرُوهَا وَلَكِنْ شَرِّقُوا أَوْ غَرِّبُوا» قَالَ أَبُو أَيُّوبَ: فَقَدِمْنَا الشَّأْمَ فَوَجَدْنَا مَرَاحِيضَ بُنِيَتْ قِبَلَ القِبْلَةِ فَنَنْحَرِفُ، وَنَسْتَغْفِرُ اللَّهَ تَعَالَى.

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) ny olona te hanala ny mavesatra aminy toy ny amany sy tay mba tsy hitodika any amin'ny Kiblat makany amin'ny Ka'ba, ary tsy miamboho azy ka nanao azy ao aoriany; Fa tsy maintsy miala amin'izany mankany atsinanana na andrefana izy raha toa ka mitovy amin'ny kiblat an'ny mponin'i Madina ny kiblat eo aminy. Avy eo nilaza i Abo Ayob (R.A) fa rehefa tonga tao Siria izy ireo dia nahita fa ny trano fivoahana nomanina ho an'ny fanalana zava-mavesatra dia naorina manatrika ny Ka'ba, noho izany dia nampihodina ny vatany hiala teo amin'ny Kiblat izy ireo, avy eo dia nangataka famelan-keloka amin’i Allah.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fahendrena ao ambadik'izany dia ny fanajana ny Kaaba Masina sy ny fanomezam-boninahitra azy.

Fangatahana famelan-keloka rehefa avy nandao ny toeram-pivoahana.

Ny fampianarana tsara nataon'ny Mpaminany (S.A.W) Satria rehefa nanambara ny fady izy dia nanondro ny azo atao.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 88) (394).

Sahìh Moslim (1/ 224) (264).

Ny Fanampiny (4)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص37).

تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.

لابن عثيمين (1/ 39).