“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito: Eo amin’ny handrina, ary nanondro teo amin’ny orony ny tànany, eo amin'ny tànany roa, sy ny lohaliny roa, sy ny tendron-tongotra roa, ary tsy aholona (apiakarina) ny akanjo sy ny volo".
«أُمِرْتُ أَنْ أَسْجُدَ عَلَى سَبْعَةِ أَعْظُمٍ: عَلَى الْجَبْهَةِ وَأَشَارَ بِيَدِهِ عَلَى أَنْفِهِ، وَالْيَدَيْنِ، وَالرُّكْبَتَيْنِ، وَأَطْرَافِ الْقَدَمَيْنِ، وَلَا نَكْفِتَ الثِّيَابَ وَالشَّعَرَ».
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia nandidy azy hiankohoka amin'ny rantsambatana fito rehefa mivavaka. Ireto avy izany : Voalohany : Ny handrina : izay ampahany amin'ny tarehy eo ambonin'ny orona sy ny maso. Nanondro ny orony tamin’ny tànany ny Mpaminany (S.A.W.), ka ny handriny sy ny orony dia iray amin’ireo fito, ary nohamafisina fa ny olona miankohoka dia tsy maintsy mikasika ny tany amin’ny orony. Ny rantsana faharoa sy fahatelo : dia ny tanana roa. Ny fahefatra sy fahadimy : dia ny lohalika roa Ny fahenina sy fahafito : dia ny rantsan'ny tongotra roa Nandidy anay izy mba tsy hamatotra ny volonay na hanangona ny akanjonay rehefa miankohoka amin’ny tany mba hiarovana azy. Fa avotsotray hilatsaka amin’ny tany ka hiankohoka miaraka amin’ireo rantsana.
ولا نَكْفِت: الكَفت: الجَمع والضَّم.
Tsy maintsy atao ny miankohoka amin’ny rantsam-batana fito
Tsy tsara ny manangona sy manambatra ny akanjo sy ny volo eo am-pivavahana.
Ny mpivavaka dia tsy maintsy tony tanteraka mandritra ny vavaka ataony, amin'ny fametrahana ireo rantsana fito amin'ny tany rehefa miankohoka, ka rehefa tafapetraka tsara amin'izany izy vao manao ny tonom-bavaka fatao amin'izany.
Ny fandrarana amin'ny fanakanana ny volo tsy hiraraka amin'ny tany dia natokana ho an'ny lehilahy fa tsy vehivavy. Satria ny vehivavy rehefa mivavaka dia asaina misaron-tena.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 162) (812).
Sahìh Moslim (1/ 354) (490).
Ny Fanampiny (12)
المنهاج شرح صحيح مسلم.
للنووي (4/ 206).
مرقاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.
لعلي القاري (2/ 718).
سبل السلام شرح بلوغ المرام.
للصنعاني (1/ 270).
توضيح الأحكام مِن بلوغ المرام.
لعبد الله البسام (2/ 229).
فتح ذي الجلال والإكرام شرح بلوغ المرام.
لابن عثيمين (2/ 115).
منار القاري.
لحمزة قاسم (2/ 202).
Cited in books
2 BooksNy Fanampiny (2)
- المناهج التعليمية - الصف الرابعالمناهج التعليمية - الصف الرابع - الفقه«أُمِرْتُ أَنْ أَسْجُدَ عَلَى سَبْعَةِ أَعْظُمٍ: عَلَى الجَبْهَةِ - وَأَشَارَ بِيَدِهِ عَلَى أَنْفِهِ -، وَاليَدَيْنِ، وَالرُّكْبَتَيْنِ، وَأَطْرَافِ القَدَمَيْنِ» [26].
- شروط الصلاة وأركانها وواجباتها«أُمِرْتُ أَنْ أَسْجُدَ عَلَى سَبْعَةِ أَعْظُمٍ»[91][92]،