Skip to content

"Ny fanompana ny mpino silamo dia fahalotoam-pitondran_tena, ary ny ady aminy dia fikomina."

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Ny fanompana ny mpino silamo dia fahalotoam-pitondran_tena, ary ny ady aminy dia fikomina."

«سِبَابُ المُسْلِمِ فُسُوقٌ، وَقِتَالُهُ كُفْرٌ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nandrara ny silamo tsy hanevateva sy hanozona ny rahalahiny silamo i Mpaminany (S.A.W), ary izany dia endriky ny fahalotoam-pitondran_tena, izay fialana amin'ny fankatoavana an'I Allah sy ny Irany, ary ny fiadivan'ny silamo amin'ny mpino silamo rahalahiny dia midika fikomiana kely izany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Voadidy ny hanaja voninahitra sy ny ràn'ny mpino silamo.

Lehibe ny hiafaran'izay manompa silamo tsy ara-drariny, ary izay manozona tsy am-pahamarinana dia mpanota.

Ny fanozonana sy ny ady amin'ny silamo dia mampihena sy manala ny finoana.

Ny asa sasany dia antsoina hoe fikomiana; na dia tsy mahatratra ny tsy finoana lehibe izay manala anao amin'ny finoana silamo izany.

Ny atao hoe tsy finoana dia ireo madinidinika izay tsy manala ny olona amin'ny finoana, araka ny fifanarahan'ireo manam_pahaizana Sonnite. Satria Allah dia nanamafy ny firahalahian’ny finoana ho an’ny mpino raha misy ny ady sy ny fifandirana, ka hoy Allah ilay Tsitoha manao hoe : (Ary raha misy andian'ny mpino roa no miady, dia ampihavano izy roa) mandra-pilazany hoe : (Ny mpino dia mpirahalahy ihany).

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 19) (48).

Sahìh Moslim (1/ 81) (64).

Ny Fanampiny (6)

فتح ذي الجلال والاكرام بشرح بلوغ المرام.

لابن عثيمين (6/ 362).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 216).

توضِيحُ الأحكَامِ مِن بُلوُغ المَرَام.

للبسام (7/ 412).