Skip to content

"Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe :

"Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."

«الصَّلَوَاتُ الْخَمْسُ، وَالْجُمُعَةُ إِلَى الْجُمُعَةِ، وَرَمَضَانُ إِلَى رَمَضَانَ، مُكَفِّرَاتٌ مَا بَيْنَهُنَّ إِذَا اجْتَنَبَ الْكَبَائِرَ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W), fa ny vavaka in-dimy isan'andro sy ny alina izay tsy maintsy atao, ny vavaka zoma isan-kerin'andro, ary ny fifadian-kanina amin'ny volana ramadany isan-taona, dia famafana ny fahotana madinika izay eo anelanelan'izy ireo , raha toa ka miala ireo fahotana lehibe. Raha ny amin’ny fahotana lehibe toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka, dia tsy voafafa izany raha tsy amin'ny fibebahana.

ireo dikan-teny

مكفرات: ماحيات.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fahotana dia misy ny kely ary misy ny lehibe.

Ny sorom_panavotana ho an’ny fahotana madinika dia miankina amin’ny fialana ireo fahotana lehibe.

Ny fahotana lehibe dia ny fahotana izay misy sazy mihatra eto an-tany, na misy sazy mahery vaika any ankoatra; amin’ny fampijaliana, na amin’ny fahatezerana, na amin’ny fandrahonana, na amin’ny fanozonana ny mpanao ratsy, toy ny fijangajangana sy ny fisotroana toaka.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (1/ 209) (233).

Ny Fanampiny (8)

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (2/ 183).

نزهة المتقين بشرح رياض الصالحين.

لمصطفى سعيد الخن (1/ 158).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص108).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم بن عيد الهلالي (1/ 209).