Skip to content

"Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ny ody."

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ny ody."

«من اقتبَسَ علْمًا مِنَ النُّجُومِ اقْتبَسَ شُعبَة مِن السِّحرِ، زادَ ما زادَ».

Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay mianatra sy maka fahalalan'ny kintana sy ny antokon-kintana ary fanaporofona ny fihetsiny, ny fidirana sy ny fivoahana amin'ny zava-mitranga eto an-tany, toy ny fahafatesan'olona sy ny fahavelomany na ny aretiny, sy ny zavatra hafa mety hitranga amin’ny hoavy, dia nianatra ampahany tamin’ny fanaovana ody, ary arakaraka ny ahazoan’ny olona izany fahalalana izany no hidirany lalina amin'ny filalaovana ody.

ireo dikan-teny

من اقتبسَ: من تعلّم.

شعبة: طائفة وقطعة.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Voarara ny fanandroana, izay milaza ny hoavy mifototra amin'ny toetry ny kintana. Satria izany dia filazana mivantana momba ny fahalalana ny tsy hita maso.

Ny fanandroana izay voarara dia anisan'ny karazana fanaovana ody mifanohitra amin'ny finoana an'i Allah fa tsy toy ny fijerena kintana hamaritana ny làlana na ny fitodihana rehefa hivavaka, na ny fahatongavan'ny vanim-potoana sy ny volana izay azo atao.

Arakaraka ny ianarany ny fanandroana no hidirana bebe kokoa any amin'ny sampana sikidy.

Ny kintana dia mitondra vokatsoa anakitelo izay noresahin’Allah ao amin’ny bokiny : fandravahana sy fanaingona ny lanitra, famantarana ny làlana aleha, ary fitoram-bato ireo devoly.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (6/ 50) (3905).

Sonan Ibn Màjah (4/ 670) (3726).

Mosnad Ahmad (3/ 454) (2000).

Ny Fanampiny (4)

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

للقرعاوي (ص230).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

للفوزان (ص206).