Skip to content

"Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."

Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."

«لا نِكَاحَ إِلّا بِوَليٍّ».

Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa tsy manan-kery ny fanambadian'ny vehivavy afa-tsy amin'ny alàlan'ny lehilahy mpiahy izay manatanteraka ny fifanekena amin'ny fanambadiana.

ireo dikan-teny

لا نكاح : لا نكاح صحيح ومعتبر شرعًا.

الوَلِيُّ : هو أقرب الرجال إلى المرأة من عصبتها الذين يرثونها، كالأب والأخ.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny mpiahy dia fepetra amin'ny maha ara-dalàna ny fanambadiana, raha tanteraka ny fanambadiana tsy nisy mpiahy, na mampanambady ny tenany ilay vehivavy, dia tsy manan-kery ny fanambadiana.

Ny mpiahy dia izay lehilahy akaiky indrindra an-dravehivavy, ka ny mpiahy lavitra dia tsy afaka mampanambady azy rehefa eo ny mpiahy akaiky azy.

Ny fepetra takiana amin'ny mpiahy dia ny : olona fehezin'ny lalàna silamika, lehilahy, ny fahendrena amin'ny fahalalana ny tombontsoan'ny fanambadiana, ary ny fitovian'ny finoana eo amin'ny mpiahy sy ny vehivavy feheziny, ka izay tsy manana ireo toetra ireo dia tsy mendrika ny ho mpiahy amin'ny fifanekena amin'ny fanambadiana.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (3/ 427) (2085).

Sonan At-Tirmizì (2/ 392) (1101).

Sonan Ibn Màjah (3/ 79) (1881).

Mosnad Ahmad (32/ 280) (19518).

Ny Fanampiny (10)

البدرُ التمام شرح بلوغ المرام.

للمَغرِبي (7/ 57).

إرواء الغليل في تخريج أحاديث منار السبيل.

للألباني (6/ 237).

توضِيح الأحكام من بلوغ المَرَام.

للبسام (5/ 262).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (7/ 222).

فتح ذي الجلال والإكرام بشرح بلوغ المرام.

لابن عثيمين (4/ 469).