«Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
Niditra tao amin'ny moske ny irak'Allah, ary nisy lehilahy iray niditra sy nivavaka ary niarahaba an'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy ary niteny manao hoe : «Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”, Dia niverina nivavaka tahaky ny nataony teo aloha ary nanatona an'ny Mpaminany (S.A.W) sady niarahaba azy. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Miverena mivavaka ianao fa tsy mbola nivavaka mihitsy", naveriny in-telo. Dia hoy izy : Mianiana amin’Ilay naniraka anao amin’ny fahamarinana aho ry Irak'Allah, fa tsy mahay tsara noho iny aho, koa ampianaro", dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Rehefa mitsangana hivavaka ianao dia mitenena Allah Akbar, avy eo mamakia izay vitanao amin'ny andininy masina Coran, avy eo mihondreha tsara ianao mandra-pahatonianao eo am-pihondrehana, dia mitsangana ianao mandra-pijoroanao mahitsy tsara, ary miankohofa mandra-pahatonianao eo am-piankohofana, dia miharena ianao mandra-pahitanao fa tafapetraka tsara ianao, Ary ataovy izany amin’ny vavaka rehetra ataonareo.”
أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ دَخَلَ المَسْجِدَ فَدَخَلَ رَجُلٌ، فَصَلَّى، فَسَلَّمَ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَرَدَّ وَقَالَ: «ارْجِعْ فَصَلِّ، فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ»، فَرَجَعَ يُصَلِّي كَمَا صَلَّى، ثُمَّ جَاءَ، فَسَلَّمَ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: «ارْجِعْ فَصَلِّ، فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ» ثَلاَثًا، فَقَالَ: وَالَّذِي بَعَثَكَ بِالحَقِّ مَا أُحْسِنُ غَيْرَهُ، فَعَلِّمْنِي، فَقَالَ: «إِذَا قُمْتَ إِلَى الصَّلاَةِ فَكَبِّرْ، ثُمَّ اقْرَأْ مَا تَيَسَّرَ مَعَكَ مِنَ القُرْآنِ، ثُمَّ ارْكَعْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ رَاكِعًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَعْدِلَ قَائِمًا، ثُمَّ اسْجُدْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ سَاجِدًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ جَالِسًا، وَافْعَلْ ذَلِكَ فِي صَلاَتِكَ كُلِّهَا».
Niditra tao amin'ny moske ny Mpaminany (S.A.W) ary avy eo dia nisy lehilahy iray niditra ka nivavaka roa rakaat amin'ny haingana be, tsy nahavita tsara ny fijoroany sy ny fihondrehany ary ny fiankohofany, nijery azy nandritra ny fivavahany i Mpaminany (S.A.W) izay nipetraka teny an-joron'ny moske, ka tonga tany amin'ny Mpaminany izy ary niarahaba azy, namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ary niteny manao hoe : Miverena ary avereno ny vavakao. Satria tsy mbola nivavaka ianao teo. Dia niverina nivavaka faingana toy ny nivavahany teo aloha ihany izy, avy eo dia tonga niarahaba ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : Miverena ary avereno ny vavakao. Satria tsy mbola nivavaka ianao, naveriny in-telo izany. Hoy ilay lehilahy : Mianiana amin'Ilay naniraka anao tamin'ny fahamarinana aho, tsy mahay tsara mihoatry ny nataoko teo aho ka mba ampianaro. Teo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : Rehefa mitsangana hivavaka ianao dia manaova takbir al-Ihram, avy eo mamakia ny Renin'ny CORAN (Sourat Al-Fatiha) sy izay vitanao vakina, dia mihondreha mandra-pahatonianao hoe tena nihondrika amin'ny fametrahana ny felatanao eo amin'ny lohalinao ary manitatra ny lamosinao ary afaka mihondrika tsara, dia atsangano sy ahitsio ny vatanao mandra-piverin'ny taolana amin'ny tonon-taolana ary mijoro mahitsy ianao, dia miankohoka mandra-pahatony amin'ny fiankohofana amin'ny orona, tànana, lohalika ary tendrony amin'ny rantsan-tongotra amin'ny tany, dia mitsangana mandra-pipetrakao eo anelanelan'ny fiankohofana roa, dia ataovy izany isaky ny rakaat amin'ny vavakao.
Ireo andrin’ny fivavahana ireo dia tsy azo alatsaka, na noho ny tsy fitandremana na noho ny tsy fahalalana, araka ny nasehony nibaiko an'ilay mpivavaka amin’ny famerenana azy ireo, ary ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nijanona fa nampianatra azy.
Anisan’ny andrin’ny vavaka ny fitoniana.
Hoy i Al-Nawawi : Midika izany fa izay manao tsirambina ny sasany amin'ireo adidy amin'ny fivavahana dia tsy manan-kery ny fivavahany.
Hoy i Al-Nawawi : Tafiditra ao anatin'izany ny fahatsoran'ny amin'ny mpianatra sy ny tsy mahalala, ny fahalalam-pomba aminy, ary manazava ny olana aminy amin'ny famintinana ny tanjona, ary ny famerana ny zony amin'izay zava-dehibe tsy misy fanampin-javatra izay tsy zakan'ny toe-pahasalamany ny mitadidy sy manao izany.
Hoy i Al-Nawawi : Maneho izany fa raha anontaniana ny mufti ny amin’ny zavatra iray ka misy zavatra hafa ilain’ilay mpanontany ka tsy nanontany azy momba izany izy, dia tsara ho azy ny milaza izany aminy, ary izany dia avy amin’ny torohevitra fa tsy tafiditra amin'ny firesahana zavatra tsy mahakasika azy.
Ny hatsaran’ny fiaikena ny kileman-toetra, araka ny nambarany : “Tsy mahay tsara mihoatry ny nataoko aho, koa ampianaro”.
Hoy I Ibn Hajar : Tafiditra ao anatin'izany ny famporisihana amin'ny tsara sy ny fandrarana ny tsy mety, ary tokony mangataka amin'ny manam-pahaizana ny mpianatra mba hampianatra azy.
Tsaratsara ny fiarahabana rehefa mifanena, ary ny ilàna ny famerenana azy, ary ny famerimberenana izany raha miverimberina ny fihaonana, na dia akaiky aza ny fotoana, ary tsy maintsy averina isaky ny mandeha.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 152) (757).
Sahìh Moslim (1/ 298) (397).
Ny Fanampiny (8)
تيسير العلام.
للبسام (ص167).
تنبيه الأفهام.
للعثيمين (2/ 213).
الإفهام في شرح عمدة الأحكام.
عبد العزيز بن باز (ص203).
الإلمام بشرح عمدة الأحكام.
لإسماعيل الأنصاري (1/ 138).
Cited in books
14 BooksNy Fanampiny (14)
- الأربعون في تعظيم قدر الصلاةالأربعون في تعظيم قدر الصلاة «ارْجِـــــــعْ فَصَلِّ، فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ»، فَرَجَــــــــعَ يُصَلِّي كَـــــــــمَا صَلَّى، ثُمَّ جَــــــاءَ، فَسَلَّمَ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَـــــالَ: «ارْجِـــــــــــــــعْ فَصَــــــــلِّ، فَإِنَّ
- المناهج التعليمية - الصف الرابعالمناهج التعليمية - الصف الرابع - الفقه«إِذَا قُمْتَ إِلَى الصَّلَاةِ فَكَبِّرْ» [24].
- المناهج التعليمية - الصف الرابعالمناهج التعليمية - الصف الرابع - الفقه«ارْجِعْ فَصَلِّ فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ، فَرَجَعَ فَصَلَّى كَمَا صَلَّى، ثُمَّ جَاءَ فَسَلَّمَ عَلَى النَّبِيِّ ﷺ فَقَالَ: ارْجِعْ فَصَلِّ فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ.. ثَلاثًا، فَقَالَ: وَالَّذِي بَعَثَكَ بِالْحَقِّ مَا أُحْسِنُ غَيْرَهُ فَعَلّ
- النفحات المكية في تفسير كتاب رب البرية الجزء الأول«ثُمَّ اقْرَأْ مَا تَيَسَّرَ مَعَكَ مِنَ الْقُرْآنِ» [2].
- تطبيق القرآن والأذكارأذكار الصلاةالصَّلاةُ عَلَى النَّبيِّ –صلى الله عليه وسلم- بَعْدَ التَّشَهُّدِ
- خطب تعظيم قدر الصلاةأن رسول الله صلى الله عليه وسلم دخل المسجد فدخل رجل، فصلى، فسلم على النبي صلى الله عليه وسلم، فرد وقال: "ارْجِعْ فَصَلِّ، فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ"، فرجع يصلي كما صلى، ثم جاء، فسلم على النبي صلى الله عليه وسلم، فقال: "ارْجِعْ فَصَلِّ، فَإِنَّ
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«إِذَا قُمْتَ إِلَى الصَّلَاةِ فَكَبِّرْ»[38].
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«ثُمَّ ارْكَعْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ رَاكِعًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَعْتَدِلَ قَائِمًا»[40].
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«ثُمَّ اسْجُدْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ سَاجِدًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ جَالِسًا»[41].
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)مجموعة زاد الفقه (1)«إذا قمت إلى الصلاة فكبر»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)مجموعة زاد الفقه (1)«ثم اركع حتى تطمئن راكعا»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)مجموعة زاد الفقه (1)«ثم اسجد حتى تطمئن ساجدا»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)مجموعة زاد الفقه (1)«ثم ارفع حتى تطمئن جالسا»
- مشروع منهاج زادكزادك 1 طالب«إِذَا قُمْتَ إِلَى الصَّلَاةِ فَكَبِّرْ، ثُمَّ اقْرَأْ مَا تَيَسَّرَ مَعَكَ مِنَ الْقُرْآنِ، ثُمَّ ارْكَعْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ رَاكِعًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَعْدِلَ قَائِمًا، ثُمَّ اسْجُدْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ سَاجِدًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى