Skip to content

" Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa. "

Tatitra azo avy amin'i Ibn masond (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

" Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa. "

«الْجَنَّةُ أَقْرَبُ إِلَى أَحَدِكُمْ مِنْ شِرَاكِ نَعْلِهِ، وَالنَّارُ مِثْلُ ذَلِكَ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza i Mpaminany (S.A.W) fa ny Paradisa sy ny Afobe dia akaiky ny Olona, ​​toy ny fehin-kiraro eo an-damosin'ny tongotra, Satria mety hanao asa fankatoavana izay mampifalifaly an'i Tompo Allah Izy mba hidirany any amin'ny Paradisa, na mety manao fahotana sy fahadisoana izay lasa ho antony iray hidirany any amin'ny Afobe.

ireo dikan-teny

....:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Famporisiana amin'ny tsara na kely aza, ary fampitandremana amin'ny ratsy na kely aza.

Eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy manambatra ny fanantenana sy ny tahotra ny silamo, ary mangataka mandrakariva amin’i Allah ilay Tsitoha mba hiorina tsara amin’ny fahamarinana mba hijanona ho silamo izy ary tsy hiova amin'izany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 102) (6488).

Ny Fanampiny (8)

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (2/ 99).

فتح الباري.

لابن حجر(11/ 321).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 186).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمصطفى الخِن وغيره (1/ 136).