Skip to content

izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny :

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.

قَالَ النَّبِيُّ صلى الله عليه وسلم كَلِمَةً وَقُلْتُ أُخْرَى، قَالَ النَّبِيُّ صلى الله عليه وسلم: «مَنْ مَاتَ وَهُوَ يَدْعُو مِنْ دُونِ اللهِ نِدًّا دَخَلَ النَّارَ» وَقُلْتُ أَنَا: مَنْ مَاتَ وَهُوَ لَا يَدْعُو لِلهِ نِدًّا دَخَلَ الْجَنَّةَ.

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manolotra zavatra tokony ho an'I Allah irery ihany amin'ny hafa ankoatra Azy, toy ny fanaovana fangatahana amin ankoatra an'I Allah Tsitoha, na ny fitadiavana vonjy amin'ny hafa ankoatra Azy, ka maty tao anatin'izany izy dia anisan'ny olon'ny Afobe. Nanampy i Ibn Masoud (R.A) fa izay maty tsy nanambatra an’Allah amin'ny hafa dia ho any amin'ny Paradisa ny làlan-kizorany.

ireo dikan-teny

يدعو: يشمل نوعي الدعاء وهما: دعاء العبادة ودعاء المسألة.

ندًّا: الند: هو الشبيه والنظير في الألوهية أو الربوبية أو الأسماء والصفات.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fitalahoana dia fanompoana izay tsy azo atao afa-tsy amin’I Allah Tsitoha.

Ny valisoa azo amin'ny fanokanana an'i Allah, izay maty ao anatin'izany dia Hiditra amin'ny Paradisa, na dia ho saziana aza izy noho ny fahotana sasantsasany vitany.

Ny loza ateraky ny fanompoan-tsampy, ary izay maty ao anatin'izany dia hiditra amin'ny helo.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (6/ 23) (4497).

Sahìh Moslim (1/ 94) (92).

Ny Fanampiny (10)

فتح المجيد شرح كتاب التوحيد.

لعبد الرحمن التميمي (ص76).

القول المفيد على كتاب التوحيد.

لابن عثيمين (1/ 120).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص47).

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

لمحمد القرعاوي (ص59).

التمهيد لشرح كتاب التوحيد.

لصالح آل الشيخ (ص42).