Skip to content

“Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Saron’ny fahafinaretana ny helo, ary saron’ny fahasahiranana ny Paradisa.”

«حُجِبَتِ النَّارُ بِالشَّهَوَاتِ، وَحُجِبَتِ الْجَنَّةُ بِالْمَكَارِهِ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny afobe dia voadidin'ny zavatra irin'ny fanahy, toy ny fanaovana zavatra voarara na ny fanaovana tsirambina ny adidy. Na iza na iza manaraka ny sitrapony sy ny faniriany amin'izany dia mendrika azy ny Afo. Ary tena marina fa io Paradisa io dia voahodidina zavatra halan’ny fanahy; Toy ny fikirizana amin’ireo fanompoana nodidiana, miala amin’ny zava-boarara, ary faharetana amin’izany, ka raha mifofofofo sy miezaka mafy amin’izany izy dia mendrika ny hiditra any amin’ny Paradisa.

ireo dikan-teny

حُجبت: حُفت وأُحيطت.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Isan'ireo antony maharendrika ny olona ao anatin'ny fahafinaretana dia ny fanaingoan'ny devoly ny zavatra ratsy sy ny fahotana, lasa hitan'ny olona tsara izany ka mirona makany aminy.

Ny baiko fialana amin'ny faniriana voarara; satria izy io no lalana mankany amin’ny Afobe, ary faharetana manoloana ny fahasahiranana; satria io no lalana mankany amin'ny Paradisa.

Ny hasin'ny tolona atao amin'ny sitra-po, sy ny fiezahana amin'ny fanompoana, ary ny faharetana amin'ireo fahasahiranana sy ny fijaliana izay miodidina ny fankatoavana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 102) (6487).

Sahìh Moslim (4/ 2174) (2822).

Sonan Abo Daòd (7/ 122) (4744).

Sonan At-Tirmizì (4/ 274) (2560).

Sonan An-Nasàì (7/ 3) (3763).

Ny Fanampiny (10)

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (2/ 449).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (2/ 87).

المنهاج شرح صحيح مسلم بن الحجاج.

للنووي (17/ 165).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 183).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمصطفى الخِن وغيره (1/ 134).