Skip to content

"Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."

«كل مُسْكِرٍ خَمْرٌ، وكل مُسْكِرٍ حرام، ومن شرِب الخمر في الدنيا فمات وهو يُدْمِنُهَا لَمْ يَتُبْ، لَمْ يَشْرَبْهَا في الآخرة».

Notantarain'i Moslim, ary notaterin’i Al-Bokhari ny fehezanteny farany tamin'izany
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nazavain’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay rehetra manarona ny saina sy mamery azy dia toaka mahamamo, na zava-pisotro izany, na sakafo, na fohana, na hafa ankoatr'izany, ary izay rehetra mahamamo sy mamery saina dia noraran'i Allah sy nosakanany, na kely aminy na betsaka, Ary izay rehetra nisotro ireo karazana zava-mahamamo ireo ka nanohy nisotro izany ary tsy nibebaka mandra-pahafatiny; dia mendrika ny hahazo famaizan’I Allah izy, ka tsy hisotro izany ao amin’ny Paradisa.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny antony nandrarana ny toaka dia noho izy mahamamo,ka izay rehetra mahamamo, na inona na inona ny karazany dia voarara avokoa.

Noraran’i Allah ny toaka. Noho ny fahavoazana lehibe sy ny faharatsiana ao anatiny.

Ny fisotroana toaka ao amin'ny Paradisa dia isan'ny mameno ny fahafinaretana sy ny fahasambarana tanteraka.

Izay tsy nahafehy ny tenany tamin'ny fisotroana toaka teto an-tany dia horaran'I Allah tsy hisotro izany izy any amin’ny Paradisa, satria mitovy karazana amin’ny asa ny valisoa.

Famporisihana mba hibebaka amin'ny fahotana mialohan'ny fahafatesana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (7/ 104) (5575).

Sahìh Moslim (3/ 1587) (2003).

Ny Fanampiny (15)

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (8/ 519).

فتح ذي الجلال والاكرام بشرح بلوغ المرام.

لابن عثيمين (5/ 418).

توضِيحُ الأحكَامِ مِن بُلوُغ المَرَام.

للبسام (6/ 307).

معالم السنن.

وهو شرح سنن أبي داود.

للخطابي (4/ 264).

الفتح الرباني لترتيب مسند الإمام أحمد بن حنبل الشيباني.

للساعاتي (16/ 116).

فيض القدير شرح الجامع الصغير.

للمناوي (5/ 30).

مرقاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.

لعلي القاري (6/ 2382).