"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
«بُنِيَ الْإِسْلَامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ الْبَيْتِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ».
Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) ny finoana silamo tamin'ny trano mafy orina, amin'ny alalan'ireo andry diminy, izay mitondra izany trano izany, ary ireo rafitra ny finoana silamo sisa dia mitovy amin'ny famenon'izany trano izany. Ny voalohany amin'ireto andry ireto: dia ny fijorona vavolombelona roa; Fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah, ary andry iray ihany izy roa ireo; Ny iray amin'izy roa dia tsy afa-misaraka amin'ny iray hafa, ny mpanompo dia manonona azy roa, manaiky ny maha-tokana an'Allah sy ny maha mendrika ny hivavahana Aminy irery fa tsy misy hafa ankoatra, manao zavatra mifanaraka amin'izany, ary mino ny hafatr'i Mohammad (S.A.W) ka manaraka Azy. Ny andry faharoa : Ny fananganana ny fivavahana Swalat, dia ireo vavaka dimy tsy maintsy atao amin’ny andro sy ny alina : ny Fajr, ny Zouhr, ny Asr, ny Mghrib, ary ny Isha, miaraka amin'ny fepetra rehetra takina aminy sy ny andriny ary izay tsy maintsy atao aminy. Ny andry fahatelo : Famoahana ny zakat tsy maintsy aloa, izy io dia fanompoana tsy maintsy atao amin'ny harena rehetra izay mahatratra ny fatra ao amin'ny lalàna silamika, izay omena sy atolotra ho an'izay mendrika izany. Ny andry fahefatra : Hajj, izay fikasana ho any Lameka hanao ireo fombafomba ho fanompoana an’I Allah Ilay Tsitoha. Ny andry fahadimy : Ny fifehezana Ramadany, io dia ny fifadiana amin'ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny zavatra hafa manapaka ny fifehezana miaraka amin’ny fikasana hanompo an’I Allah, manomboka amin’ny maraina vao mangirandratsy ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
Ny fijoroana vavolombelona roa dia tsy azo sarahina, ka tsy manan-kery ny iray raha tsy miaraka amin'ny iray. Koa natao ho andry iray izy roa.
Ny fijoroana vavolombelona roa no fototry ny finoana, ary tsy misy teny na asa azo ekena raha tsy miainga avy amin'izy roa.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 11) (8).
Sahìh Moslim (1/ 45) (16).
Ny Fanampiny (8)
و(1/ 88) (82).
فتح الباري لابن رجب (1/ 22).
جامع العلوم والحكم (1/147).
شرح الأربعين لابن العطّار (ص 62).
شرح الأربعين النووية لعبد الكريم الخضير (ص 87).
فتح القوي المتين في شرح الأربعين للعباد (ص 29).
شرح الأربعين النووية لصالح آل الشيخ (ص 91 - 95).
التحفة الربانية لإسماعيل الأنصاري (ص 12).
Cited in books
5 BooksNy Fanampiny (5)
- المناهج التعليمية - الصف السادسالمناهج الدراسية - الفقه - الصف السادس «بُنِيَ الإِسْلَامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ، وَحَجِّ الْبَيْتِ»[16].
- قاموس الكبائر موسوعة الكبائر - المجموعة الأولى«بُنِيَ الإِسْلَامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّهِ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ البَيْتِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ» [55].
- قاموس الكبائر«بُنِيَ الإِسْلَامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّهِ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ البَيْتِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ» [55].
- قاموس الكبائرموسوعة الكبائر - المجموعة الرابعة«بُنِيَ الإِسْلامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَنْ لا إِلَهَ إِلا اللَّهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّهِ، وَإِقَامِ الصَّلاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ البَيْتِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ»[43].
- ما لا يسع المسلم جهله«بُنِيَ الإِسْلَامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَنْ لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّـهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّـهِ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ الْبَيْتِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ» [42].