Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

24 of 665 cards

Clear filters
"Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny Fo feno finoana sy fanantenana valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy iray tamin'ireo mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W) nahita ny Laylat al-Qadr tamin'ny nofy nandritra ny fito alina farany, ary hoy ny irak'Allah hoe : «Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Irak'i Tompo Allah (S.A.W) ka niteny hoe : Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety , ka tsy manampy zavatra hafa ambonin'izany intsony, moa ve mety miditra amin'ny Paradisa amin'ny alalany iazany rehetra izany Aho ? Ka namaly Azy Izy niteny hoe : Eny !.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niteny Allah manao hoe : Ny asa soa rehetra ataon'ny zanak'i Adama dia azy afa tsy ny fifehezana, Izy io dia ho ahy ary ny tenako no hamaly soa ny aminy. Ny fifehezana dia fiaro, Ka rehefa eo am-panatanterahana fifehezana ny iray aminareo, dia aoka tsy hitabataba na hiteny ratsy. Raha misy manompa azy na mitady ady aminy, dia akoa izy hilaza manao hoe: Izaho dia mifehy! Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatànany : "Fa ny fofona ny fofom-bavan'ny mpifehy dia manitra lavitra mihoatry ny fofon'ny ranomanitra misk". Ary ny mpifehy dia manam-pifaliana anakiroa : "Rehefa hisakafo amin'ny hariva dia faly, ary rehefa hifanatrika amin'ny tompony amin'ny andro farany, dia ho faly noho ilay fifehezana nataony".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim