Skip to content

"Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina".

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

"Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina".

«إنَّ المُؤْمِنَ ليُدرِكُ بِحُسْنِ خُلُقِهِ دَرَجَةَ الصَّائِمِ القَائِمِ».

Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
Marina miaraka amin'ny porofo hafa
Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny toetra tsara dia mitondra ny tompony amin'ny toeran'ny olona mifady hanina tsy tapaka mandritra ny andro sy mivavaka amin'ny alina, ary ny fitambaran'ny hatsaran-toetra dia : fanaovana ny tsara, fitenenana ny tsara, fitsikitsikina amin'ny tarehy, tsy manao ratsy ny hafa, miaritra izay ratsy ataon'ny olona.

ireo dikan-teny

....:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny maha-zava-dehibe ny fitandrovan'ny finoana Islam amin'ny fanadiovana sy fahalavorarian'ny fitondran-tena.

Ny fahasoavan'ny hatsaran-toetra, dia mitondra ny olona mandra-pahatongany eo amin'ny voninahitry ny olona mifady hanina ka tsy mihinana mihitsy ary izay mivavaka amin'ny alina tsy mba reraka.

Ny fifadian-kanina antoandro sy ny fivavahana amin'ny alina dia asa roa sarotra ho an'ny fanahy, ary ny olona manana fitondran-tena tsara dia tonga amin'ny haavony satria miezaka amin'ny tenany amin'ny fiarahamiasa tsara izy.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (7/ 176) (4798).

Mosnad Ahmad (40/ 414) (24355).

Ny Fanampiny (6)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 675).

تطرز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص411).

مشكاة المصابيح.

لمحمد العمري (3/ 1409).