Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nandeha teo amin’ny fanariam-pakon’ny olona iray izy ka namany am-pitsanganana,
Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) :
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nandeha teo amin’ny fanariam-pakon’ny olona iray izy ka namany am-pitsanganana, dia nihataka kely aho, dia hoy izy : “Manatona", Dia nanatona aho mandra-pijoroako teo akaikin’ny tongony, dia nanao ouzou izy ary nisafo teo amin'ny kirarony.
كُنْتُ مَعَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَانْتَهَى إِلَى سُبَاطَةِ قَوْمٍ، فَبَالَ قَائِمًا، فَتَنَحَّيْتُ فَقَالَ: «ادْنُهْ» فَدَنَوْتُ حَتَّى قُمْتُ عِنْدَ عَقِبَيْهِ فَتَوَضَّأَ فَمَسَحَ عَلَى خُفَّيْهِ.
Mitantara i Hozayfah bin Al-Yaman (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, ary te hamany izy, ka niditra tao amin'ny toerana iray izy; Io no toerana fanariana fako sy loto eny an-trano, ka namany mitsangana izy, na dia hoe ny mahazatra azy matetika ny mamany mipetraka. Dia nanalavitra azy i Hozayfah, ary hoy izy taminy : Manatona, dia nanatona azy i Hozaifah mandra-pijorony tao aoriana teo an-damosin’ny tongony, mba ho toy ny fanafenana azy tsy hijeren'ny olona amin'io toe-javatra io. Avy eo dia nanao ozo izy, ary rehefa nanasa ny tongony izy, dia nijanona tamin'ny fisafona ny kirarony - izany dia fitafy manify amin'ny tongotra vita amin'ny hoditra sy ny toy izany ary manarona ny kitrokeliny - ary tsy noesoriny.
Ny maha-ara-dalàna ny fisafona ny ba kiraro.
Azo atao ny mamany mitsangana raha tsy misy loto mahavoa azy.
Nisafidy ny toeram-pako ny Mpaminany (S.A.W), izany dia toerana fitoeram-bovoka sy ny loto, satria mora izany ary tsy miverina amin'ilay namany ny amaniny.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 54) (224).
Sahìh Moslim (1/ 228) (273).
Ny Fanampiny (4)
تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.
للبسام (ص51).
تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.
لابن عثيمين (1/ 61).