“Ny fahotana lehibe dia ny : Fampiombonana an'Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro bin 'Assi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny fahotana lehibe dia ny : Fampiombonana an'Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”
«الْكَبَائِرُ: الْإِشْرَاكُ بِاللهِ، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَالْيَمِينُ الْغَمُوسُ».
Manazava ny fahotana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia ireo izay misy fandrahonana mafy ho an'ny mpanao azy eto an-tany na any ankoatra. Ny voalohany amin'izy ireo dia ny : Fampiombonana an'i Allah amin'ny hafa : izany dia ny fanaovana na inona na inona amin'ireo karazana fanompoana rehetra ho an'ny hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny zavatra hafa manoloana ireo zavatra voatokana ho Azy irery ihany,amin’ny maha Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany. Ny faharoa : Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny ray aman-dreny, na fiteny na fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy. Ny fahatelo dia “famonoana olona”: Tsy amin'ny rariny, toy ny famonoana tsy ara-drariny sy an-kerisetra. Ny fahefatra dia ny “fianianana mandetika”: izany dia fianianana lainga ary fantany tsara fa mandainga izy, izany no niantsoana azy satria mandentika ny tompony ao amin’ny fahotana na any amin’ny Afobe.
...:
Ny fianianana lainga dia tsy misy fanavotana azy noho ny loza mitatao sy ny heloka bevava aminy, fa amin'ny fibebahana ihany.
Ny filazana manokana momba ireo fahotana lehibe efatra ireo ao amin'ny hadith dia noho ny halebean'ny fahotany, fa tsy hoe izy ireo ihany no fahotana lehibe.
Mizara ho lehibe sy kely ireo fahotana, ny fahotana lehibe dia izao : Ny ota rehetra izay misy sazy eto an-tany, toy ny famaizana sy ny ozona, na ny fandrahonana amin'ny fanasazina any ankoatra, toy ny fandrahonana hiditra ao amin’ny Afobe, ary ny fahotana lehibe dia ambaratonga, ny sasany dia mafy kokoa noho ny sasany eo amin'ny fandrarana ny fanaovana azy , ary ny fahotana madinika kosa dia ny ankoatr'ireo fahotana lehibe.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 137) (6675).
Ny Fanampiny (7)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 408).
رياض الصالحين للنووي (ص125) (337).
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (5/ 610).
تطريز رياض الصالحين.
لفيصل آل مبارك (ص964).
Cited in books
7 BooksNy Fanampiny (7)
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 2«الكَبَائِرُ: الإشْرَاكُ بِالله، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَالْيَمِينُ الْغَموسُ».
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 8«الْكَبَائِرُ: الإشْرَاكُ بِالله، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَالْيَمِينُ الْغَمُوسُ».
- قاموس الكبائر موسوعة الكبائر - المجموعة الأولى«الإِشْرَاكُ بِاللَّهِ، وَعُقُوقُ الوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَشَهَادَةُ الزُّورِ» [118].
- قاموس الكبائر«الإِشْرَاكُ بِاللَّهِ، وَعُقُوقُ الوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَشَهَادَةُ الزُّورِ» [118].
- قاموس الكبائرموسوعة الكبائر - المجموعة الخامسة«الْإِشْرَاكُ بِاللَّهِ، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَشَهَادَةُ الزُّورِ»
- قاموس الكبائرموسوعة الكبائر - المجموعة الخامسة«الْكَبَائِرُ: الْإِشْرَاكُ بِاللَّهِ، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَالْيَمِينُ الْغَمُوسُ»
- نبراس طالب (5)1«الكَبَائِرُ: الإِشْرَاكُ بِاللهِ، وَعُقُوقُ الوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَاليَمِينُ الغَمُوسُ»