"Ny tànana dia hotapahina amin'ny ampahefatry ny dinar no mihoatra."
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A) renin'ny mpino rehetra niteny : niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny tànana dia hotapahina amin'ny ampahefatry ny dinar no mihoatra."
«تُقْطَعُ اليَدُ فِي رُبُعِ دِينَارٍ فَصَاعِدًا».
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ho tapahana ny tanan’ilay mpangalatra raha toa ka mangalatra volamena ampahefatry ny dinar sy mihoatra noho izany, ary mitovy amin’ny vidin’ny volamena 1,06 grama ny sandany.
Fahotana lehibe ny halatra.
Allah dia nametraka sazy ho an'ny mpangalatra, dia ny fanapahana ny tànany. Araka ny voalazan'ny tompo Allah ilay Tsitoha : {Ary tapaho ny tànany ny lehilahy sy ny vehivavy mpangalatra} [Al-Maeda: 38], ary nohazavain'ny Sonnah ny fepetra amin'izany fanapahana izany.
Ny atao hoe tànana ao amin'ny hadith dia ny fanapahana ny tànana eo amin'ny fitohizany eo amin'ny sandry ambony.
Fahendrena amin'ny fanapahana ny tànan’ny mpangalatra mba hiarovana ny haren’ny vahoaka sy hanakanana ny mpanao ratsy hafa.
Ny dinar dia lanjan'ny volamena, ary amin'izao fotoana izao dia mitovy amin'ny (4,25 grama) 24 karat; Ny ampahefatry ny dinar dia mitovy amin'ny grama sy zavatra hafa.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 160) (6789).
Sahìh Moslim (3/ 1312) (1684).
Ny Fanampiny (5)
الإلمام بشرح عمدة الأحكام.
لإسماعيل الأنصاري (2/ 125).
تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.
لعبد الله البسام.
(ص665).