«Teneno hoe : Là ilàha Illallàho Wahdahò Là sharìka lahò, Allaho Akbar Kabìra', Walhamdo lillàhi Kathìran, Sobhànallàhi Rabbil-a'lamìna, La hawla walà-qowwata illà billàhil-A'zizol-Hakìm, izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona aminy, Allah no lehibe indrindra, dera betsaka ho an'Allah, dera ho an'Allah tompon'izao tontolo izao, Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah, Ilay Mahery sy Hendry”
Tatitra azo avy tamin'i Sa'adi (R.A) niteny izy :
Nisy lehilay arabo tambanivolo iray tonga teo amin’ny Irak’Allah (S.AW) niteny hoe : “Ampianaro zavatra hoteneniko aho.” Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : «Teneno hoe : Là ilàha Illallàho Wahdahò Là sharìka lahò, Allaho Akbar Kabìra', Walhamdo lillàhi Kathìran, Sobhànallàhi Rabbil-a'lamìna, La hawla walà-qowwata illà billàhil-A'zizol-Hakìm, izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona aminy, Allah no lehibe indrindra, dera betsaka ho an'Allah, dera ho an'Allah tompon'izao tontolo izao, Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah, Ilay Mahery sy Hendry” Dia hoy ilay tambanivolo : Ho an’ny tompoko ireo rehetra ireo, ka inona no mba ho ahy? Dia hoy Mpaminany (S.A.W) : “Teneno : Allahommaghfirli Warhamnì wahdinì warzoqnì. Izay midika hoe : Allah ô, mamelà ny heloko, mamindrà fo amiko, tariho aho, ary omeo anjara aho.”
جَاءَ أَعْرَابِيٌّ إِلَى رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: عَلِّمْنِي كَلَامًا أَقُولُهُ، قَالَ: «قُلْ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، اللهُ أَكْبَرُ كَبِيرًا، وَالْحَمْدُ لِلَّهِ كَثِيرًا، سُبْحَانَ اللهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللهِ الْعَزِيزِ الْحَكِيمِ» قَالَ: فَهَؤُلَاءِ لِرَبِّي، فَمَا لِي؟ قَالَ: «قُلْ: اللهُمَّ اغْفِرْ لِي وَارْحَمْنِي وَاهْدِنِي وَارْزُقْنِي».
Nisy lehilahy avy any ambanivohitra nangataka tamin'Irak'Allah mba hampianatra azy tonom-bavaka ho teneniny. Dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : Mitenena : "Là ilàha illallàho wahdahò là sharìka lahò -izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona aminy.” Nanomboka tamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanokanana an'Allah izy, izany hoe tsy misy tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, "Allàho Akbar", Izay midika hoe : "Allah no lehibe indrindra". Izany hoe : Allah no lehibe mihoatry ny zavatra rehetra ary Be voninahitra, "Walhamdo lillàhi Kathiran", izay midika fisaorana betsaka no atolotra ho an'Allah, Izany hoe : Fisaorana betsaka ho an’Allah noho ireo toetoetrany sy ny asany ary ny fahasoavany tsy tambo isaina. "Sobhanallàhi Rabbil 'alamìn", izay midika hoe : Dera ho an'Allah Tompon'izao tontolo izao. Izany hoe : Manalavitra ny tsy fahalavorariana sy tsy fahatomombanana, "Là hawla wala qowwata Illà billàhil-'Azizil-Hakìm", Izay midika hoe : "Tsy misy hery sy tanjaka afa tsy amin'Allah, ilay Matanjaka sy Hendry". Izany hoe : Tsy afaka miova ho amin'ny hafa ny toe-draharaha iray afa-tsy amin’ny alalan'Allah sy ny fanampiana avy aminy ary ny fanamaivanany. Hoy ilay lehilahy: Ireo teny ireo dia ho an'ny Tompoko sy ny fanomezam-boninahitra Azy, koa inona no tokony hangatahiko ho an'ny tenako? Dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : Mitenena ianao : "Allahommaghfirli", izay midika hoe : Tompo Allah oo, mamela ny heloko, Amin'ny famafana ny asa ratsy sy fanaronana azy, "Warhamni", izay midika hoe: mamindra fo amiko Amin'ny fahazoana hatsarana ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany ho ahy, "Wahdinì", izay midika hoe : ary tariho aho Ho amin'ny toe-piainana tsara indrindra sy mankany amin'ny làlana mahitsy, "Warzoqni", izay midika hoe : ary omeo anjara aho Harena madio, fahasalamana, ary ny soa rehetra sy ny fahasalamana.
...:
Famporosiana amin'ny fitenenana ireo tonom-bavaka toy ny Là ilàha Illallàho, sy Allàho Akbar sy Alhamdo lillàhi ary ny Sobhànallàhi.
Tsara ny manonona ny anaran'Allah sy midera Azy mialohan’ny hanao Doan.
Ny tsara ho an'ny olona iray rehefa manao Doan dia manao izany amin'ny tsara indrindra, ireo doan azo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) satria ao anatin'izany no misy ny soa rehetra eto an-tany sy ny any an-koatra, ary manano Doan araka izay tiany izy.
Ny mpanompo iray dia tokony ho mazoto mianatra izay mahasoa azy eto aan-tany sy ny any ankoatra.
Famporisihana mba hikatsaka famelan-keloka sy famindram-po ary anjaram-pivelomana, satria mitambatra ao anatin'izany rehetra izany ny hatsarana rehetra.
Ny fangoraham-pon'ny Mpaminany (S.A.W) no nampianarany ny vahoakany ny amin'ny mahasoa azy ireo.
Ny famindram-po dia voatonona taorian'ny famelan-keloka mba hanadiovana tanteraka, satria ny famelan-keloka dia manarona ny ota sy manala amin'ny Afobe. Ny famindram-po dia mitondra asa soa sy fidirana ao amin'ny Paradisa, ary izany no fandresena lehibe.
Sahìh Moslim (4/ 2072) (2696).
Ny Fanampiny (6)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (2/ 498).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (2/ 972).
مرقاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.
لعلي القاري (4/ 1606).
Cited in books
11 BooksNy Fanampiny (11)
- الذكر والدعاء والعلاج بالرقي من الكتاب والسنة"قل: لا إله إلا الله وحده لا شريك له، الله أكبر كبيراً والحمدُ لله كثيراً، سبحان الله رب العالمين، لا حول ولا قوة إلا بالله العزيز الحكيم" قال فهؤلاء لربي فمالي؟ قال "قل: اللهم اغفر لي، وارحمني، واهدني وارزقني".
- المختصر المفيد للمؤذن والإمام والخطيب وأحكام المساجد«لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ»
- تحفة الأخيار تحفة الأخيار (ببيان جملة نافعة مما ورد في الكتاب والسنة من الأدعية والأذكار)«قُلْ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، اللَّهُ أَكْبَرُ كَبِيرًا، وَالْحَمْدُ لِلَّهِ كَثِيرًا، سُبْحَانَ اللَّهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللهِ الْعَزِيزِ الْحَكِيمِ» قَالَ: فَهَؤُلَاءِ لِرَ
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلم«لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ»[44].
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلملَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّه
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلملَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ»[306].
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلملَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّه
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلملَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، اللَّهُ أَكْبَرُ كَبِيرًا، وَالحَمْدُ لِلَّهِ كَثِيرًا، سُبْحَانَ اللَّهِ رَبِّ العَالَمِينَ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ العَزِيزِ الحَكِيمِ»
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلملَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، اللَّهُ أَكْبَرُ كَبِيرًا، وَالحَمْدُ لِلَّهِ كَثِيرًا، سُبْحَانَ اللَّهِ رَبِّ العَالَمِينَ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ العَزِيزِ الحَكِيم
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 7«قُل: لا إلهَ إلَّا اللهُ وحدَهُ لا شريكَ لَهُ، اللهُ أكبرُ كبيراً، والحمدُ لله كثيراً، وَسُبْحَانَ اللهِ ربِّ العالمين، ولا حولَ ولا قوَّةَ إلَّا بالله العزيزِ الحكيمِ» قَالَ: فهؤلاء لربِّي، فما لي؟ قَالَ: «قُل: اللّهم اغفرْ لي، وارحمْني،
- فضل الدعاء وآدابه والأوقات التي يستحب فيها"لا حول ولا قوة إلا بالله"