izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany ".
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.A), Niteny Izy ka nanao hoe :
Niteny lehilahy iray ka nanao hoe : Oh ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Moa va ho sazina tokoa Izahay amin'ireo zava-bitanay tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe : " izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany ".
قَالَ رَجُلٌ: يَا رَسُولَ اللهِ، أَنُؤَاخَذُ بِمَا عَمِلْنَا فِي الْجَاهِلِيَّةِ؟ قَالَ: «مَنْ أَحْسَنَ فِي الْإِسْلَامِ لَمْ يُؤَاخَذْ بِمَا عَمِلَ فِي الْجَاهِلِيَّةِ، وَمَنْ أَسَاءَ فِي الْإِسْلَامِ أُخِذَ بِالْأَوَّلِ وَالْآخِرِ».
Manazava i Mpaminany (S.A.W ) ny hatsarana amin'ny fidirana ao amin'ny Finoana Islam. Ary izay nandray ka niditra nanaraka ny Finoana Islam ary nankatsara ny finoany no sady madio fo sy marina; dia tsy anisany ireo izay ho tsaraina amin'ny fahotana nataony izy nandritra ny vanom-potoanan'ny habadoana izay nanaovany izany fahotana sy fahadisoana izany. Ary izay nanaratsy ny fitondran-tenany tato amin'ny finoana Islam ka nihatsaravelatsihy na koa nivadi-pinoana ka niala amin'ny finoana Islam; dia ho tsaraina amin'izay rehetra vitany tamin'ny tsy finoany sy izay rehetra nataony tato amin'ny Finoana Islam.
...:
Ny mahazava-dehibe ny fiasan-dohan'ireo Mpiaradian'ny Mpaminany rehetra (R.A) sy tahotran' izy ireo amin' izay rehetra efa nivitan' izy ireo teo amin'ny fiainana tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana.
Ny famporisiana feno amin'ny fifikirana amin'ny fomba rehetra ny Finoana Islam.
Fahasoavan'ny fidirana amin'ny finoana Islam ary izany dia manadio tanteraka ireo asa-bita rehetra teo aloha.
Ireo mpivadi-pinoana sy ireo mpihatsaravelatsihy dia ho tsaraina izy ireo amin'izay rehetra nataon'izy ireo tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana, ary ny fahotana rehetra izay nataon'izy ireo tato amin'ny Finoana Islam.
Sahìh Al-Bokhari (9/ 14) (6921).
Sahìh Moslim (1/ 111) (120).
Ny Fanampiny (3)
مشارق الأنوار على صحاح الآثار (2/229).
الكواكب الدراري (24/43).
عمدة القاري شرح صحيح البخاري (24/ 76).
Cited in books
2 BooksNy Fanampiny (2)
- الأسئلة المختارة من قاموس الأسئلة الشائعة حول الإسلامقسم الإسلام«مَن أحسن في الإسلام لم يؤاخذ بما عمل في الجاهلية، ومن أساء في الإسلام أُخِذَ بالأول والآخِر»
- موسوعة الأسئلة (المجموعة الأولى)«مَنْ أَحْسَنَ فِي الإِسْلَامِ لَمْ يُؤَاخَذْ بِمَا عَمِلَ فِي الْجَاهِلِيَّةِ، وَمَنْ أَسَاءَ فِي الإِسْلَامِ أُخِذَ بِالأَوَّلِ وَالآخِرِ»