Skip to content

“ Ny Olona tena tsy Tian’i Allah indrindra dia ny olona tsy resy ambava ”

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :

“ Ny Olona tena tsy Tian’i Allah indrindra dia ny olona tsy resy ambava ”

«إِنَّ أَبْغَضَ الرِّجَالِ إِلَى اللهِ الْأَلَدُّ الْخَصِمُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanazava sy Nilaza Amintsika i Mpaminany (S.A.W), fa i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha, dia mankahala ny Olona izay miady mafy sy be olana, izay tsy manaiky ny fanekena ny fahamarinana, ary miezaka ny hanosika izany amin'ny famaliany, na miady amin'ny fahamarinana nefa manitatra ny fifandirana ary mihoatra ny fetran'ny antonony, ary miady hevitra tsy misy fahalalana.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsy tafiditra ho ao anatin’ny sokajin’ny fifandirana izay tsy azo ekena izany rehefa sendra mitaky ny Zony amin’ny alalan’ny fitsarana ilay olona izay voaheloka.

Ny fifamaliana sy ny fifandrafiana dia anisan’ny lozam-pifamoivoizan’ny lela izay miteraka fisaratsarahana sy fifandirana eo amin’ny samy Mpino Isilamo.

Mendri-piderana ny fifamaliana raha toa ka momba ny marina sy ny fomba fanaony amin'ny endrika tsara, ary ny fandavana ny marina sy ny fanamafisana ny lainga, na ny tsy misy tohan-kevitra na Porofo, dia tsy mety.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (3/ 131) (2457).

Sahìh Moslim (4/ 2054) (2668).

Ny Fanampiny (8)

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

للبسام (7/ 476).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 308).

فتح ذي الجلال والإكرام.

لابن عثيمين (6/ 416).

سبل السلام بشرح بلوغ المرام.

للصنعاني (2/ 685).