“Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?” Namaly izy ireo : “Eny, ry irak’i Allah ô.” dia hoy izy : Ny fanaovana ozo amin'ny fotoana manahirana sy fandehana im-betsaka any amin'ny moske ary ny fiandrasana swalat aorian'ny swalat, izany no fatorana lehibe".
«أَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى مَا يَمْحُو اللهُ بِهِ الْخَطَايَا، وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟» قَالُوا بَلَى يَا رَسُولَ اللهِ قَالَ: «إِسْبَاغُ الْوُضُوءِ عَلَى الْمَكَارِهِ، وَكَثْرَةُ الْخُطَا إِلَى الْمَسَاجِدِ، وَانْتِظَارُ الصَّلَاةِ بَعْدَ الصَّلَاةِ، فَذَلِكُمُ الرِّبَاطُ».
Nanontany ny mpiara-diany ny Mpaminany (S.A.W) raha tian'izy ireo ny hitarihany azy ireo amin'ny asa izay hahazoany ny famelan-keloka, ny famafana ao amin'ny bokin'ny fandraketana asa, ary ny toerana ambony kokoa ao amin'ny Paradisa? Namaly ireo mpanara_diany hoe : Eny mila an'izany tokoa izahay, dia hoy izy : Ny voalohany dia : Ny fanaovana ouzo sy ny fitazomana azy amin'ny fotoana manahirana; Toy ny hatsiaka, tsy fahampian-drano, fanaintainan’ny vatana, ary rano mafana. Ny faharoa : Manao dingana betsaka mankany amin'ny moske, noho ny halaviran'ny trano, sy ny fiverimberenana matetika. Ny fahatelo : Fiandrasana ny fotoam-bavaka, fiatonan'ny fo aminy, miomana amin’izany, ary mipetraka ao amin’ny moske mba hiandry ny olona hiaraka hanao swalat, ka rehefa avy nivavaka izy, dia miandry ao amin’ny moske ny swalat hafa indray. Avy eo, nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo zavatra ireo no tena famatorana; Satria manakana ny lalan'i Satana eo amin'ny olona, mandresy ny filana ary manakana azy tsy hanaiky ny fandrebirebena, dia ho resin'ny antokon'i Allah ireo miaramilan'i Satana amin'ny alàlan'izany. Io no ady lehibe indrindra, ary toy ny andian-kery eo amin'ny lavakan'ny fahavalo.
Ny maha zava-dehibe ny fifikirana amin'ny vavaka miaraka amin'ny maro any amin'ny moske, ny fanaovana ny vavaka ho anton-draharaha ary ny tsy fanelingelenana azy.
Tsara ny fomba nanoloran'ny Mpaminany (S.A.W) ny famelabelarana ary nampientanentana ireo mpiara-dia taminy izy, raha natombony tamin'ny valisoa lehibe, tamin'ny alalan'ny fametrahana fanontaniana, ary izany dia iray amin'ireo fomba fampianarana.
Ny tombony amin'ny fametrahana fanontaniana miaraka amin'ny valiny : ka tena mipaka any amin'ny olona ilay teny ary mazava tsara.
Niteny i Nawawi : Izany no fatorana, izay midika hoe : Ny fatorana tena ilaina, ary ny fototry ny fatorana dia ny fanagadrana amin'ny zavatra iray, toy ny nanagadrana ny tenany noho izany fankatoavana izany izy, ary voalaza ihany koa hoe : izany no fatorana tsara indrindra, araka ny voalaza hoe : ny tena ady dia ny fanoherana ny sitrapo, ary azo heverina fa ny fatorana izay mora sy azo atao ihany koa, izany hoe : iray amin'ireo karazana fatorana.
Ny teny hoe "Ribat" (fatorana) dia naverimberina ary nofaritana tamin'ny (ny) famaritana; ho fanomezam-boninahitra an'ireo asa ireo izany.
Sahìh Moslim (1/ 219) (251).
Ny Fanampiny (8)
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين.
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (2/ 183).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 209).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 158).
Cited in books
10 BooksNy Fanampiny (10)
- الخطب المنبرية موسوعة الخطب المنبرية (القسم الثاني)«أَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى مَا يَمْحُو اللَّهُ بِهِ الخَطَايَا وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟» قَالُوا: بَلَى يَا رَسُولَ اللَّهِ. قَالَ: «إِسْبَاغُ الوُضُوءِ عَلَى المَكَارِهِ، وَكَثْرَةُ الخُطَى إِلَى المَسَاجِدِ، وَانْتِظَارُ الصَّلَاةِ بَع
- الصلاة التي علمها النبي ﷺ الصحابة رضي الله عنهمالصلاة التي علمها النبي ﷺ الصحابة رضي الله عنهم«أَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى مَا يَمْحُو اللَّهُ بِهِ الْخَطَايَا، وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟» قَالُوا: بَلَى يَا رَسُولَ اللَّهِ. قَالَ: «إِسْبَاغُ الْوُضُوءِ عَلَى الْمَكَارِهِ، وَكَثْرَةُ الْخُطَا إِلَى الْمَسَاجِدِ، وَانْتِظَارُ الصَّلَا
- الصلاة التي علمها النبي ﷺ الصحابة رضي الله عنهم«أَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى مَا يَمْحُو اللَّهُ بِهِ الْخَطَايَا، وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟» قَالُوا: بَلَى يَا رَسُولَ اللَّهِ، قَالَ: «إِسْبَاغُ الْوُضُوءِ عَلَى الْمَكَارِهِ، وَكَثْرَةُ الْخُطَا إِلَى الْمَسَاجِدِ، وَانْتِظَارُ الصَّلَا
- المناهج التعليمية - الصف الرابعالمناهج التعليمية - الصف الرابع - الفقه«ألا أَدُلُّكُم على ما يَـمْحُو اللهُ بهِ الخطايا ويَرْفَع بِه الدَّرجات؟» قالوا: بلى يا رَسولَ اللهِ. قال: «إِسْبَاغُ الوُضُوءِ عَلَى الْمَكَارِهِ [3]، وَكَثْرَةُ الْخُطَىٰ إِلَى الْمَسَاجِدِ وَانْتِظَارُ الصَّلَاةِ بَعْدَ الصَّلَاةِ، فَذَ
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“ألا أدلكم على ما يمحو الله به الخطايا ويرفع به الدرجات، قالوا: بلى يا رسول الله، قال: “إسباغ الوضوء على المكاره، وكثرة الخطا إلى المساجد، وانتظار الصلاة بعد الصلاة، فذلكم الرباط “
- الميسر في صفة الوضوء"ألا أدلُّكم على ما يمحو الله به الخطايا، ويرفع به الدرجات؟"،
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «ألا أَدلُّكُمْ عَلَىٰ مَا يَمْحُو اللهُ بِهِ الْخَطَايَا، وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟»
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 5«ألا أدُلُّكُم علىٰ مَا يَمْحُو اللهُ به الخَطَايَا، ويرفعُ به الدَّرجاتِ؟»
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 5«أَلاَ أَدلُّكُمْ عَلىٰ مَا يَمْحُو اللهُ بِهِ الخَطَايَا، وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟»
- نبراس طالب (2)نبراس طالب (2) «أَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى مَا يَمْحُو اللهُ بِهِ الْخَطَايَا، وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟» قَالُوا: بَلَى يَا رَسُولَ اللهِ. قَالَ: «إِسْبَاغُ الْوُضُوءِ عَلَى الْمَكَارِهِ([2])، وَكَثْرَةُ الْخُطَا إِلَى الْمَسَاجِدِ، وَانْتِظَارُ الصَّلَ