Skip to content

"Izay mahita ny mpanao ny tsy rariny ka tsy nosakanany dia mety alefan'Allah amin'ny rehetra ny saziny".

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bakri sidiq (R.A) niteny manao hoe : ry olombelona, ianareo dia mamaky ity andininy masina ity : {o ianareo mpino, tompon'andraikitra amin'ny tenanareo ianao ka tsy haninona anareo velively izay very làlana raha mizotra amin'ny làla-marina ianareo}, izaho nandre an'ny mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

"Izay mahita ny mpanao ny tsy rariny ka tsy nosakanany dia mety alefan'Allah amin'ny rehetra ny saziny".

«إِنَّ النَّاسَ إِذَا رَأَوْا الظَّالِمَ فَلَمْ يَأْخُذُوا عَلَى يَدَيْهِ أَوْشَكَ أَنْ يَعُمَّهُمُ اللَّهُ بِعِقَابٍ مِنْهُ».

Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza i Abo Bakri Sidik (R.A) hoe : ny olona rehetra dia mamaky ity andininy ity : {O ianareo mpino, tompon'andraikitra amin'ny tenanareo ianao ka tsy haninona anareo velively izay very làlana raha mizotra amin'ny làla-marina ianareo} [Al-maida : 105]. Ny nahazoan'izy ireo izany dia ny hoe : adidin'ny olona tsirairay ny manarina ny tenany fotsiny, ary tsy misy fiantraikany aminy ny fahaverezan'izay very làlana aorian'izany, ary tsy takina amin'izy ireo ny famporisiana amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fanakanana amin'ny ratsy! Ka nampianariny azy ireo fa ny andininy dia tsy tahak'izany, ary izy dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : Ny olona raha mahita ny mpanao ny tsy rariny ka tsy nosakanany amin'ny tsy rariny izay nataony, nefa ananany fahefana ny manakana azy, dia saika ho atambatr'iAllah ao amin'ny saziny avokoa, ny mpanao ny ratsy sy izay mangina amin'izany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Adidin’ny mpino silamo rehetra ny mifanoro hevitra sy mibaiko amin'ny tsara ary mandrara ny ratsy.

Sazin'i Allah dia mandrakotra ny rehetra, ny mpanao ny tsy rariny sy ny mangina tsy manohitra izany, raha toa ka manana fahefana hanohitra.

Fampianarana ny rehetra sy fampahafantarana azy ireo ilay andininy masina ao amin'ny Kor'any amin'ny fomba fijery marina.

Voadidy amin'ny olombelona ny hiahy ny fahatakarana ny bokin'i Allah, mba tsy hahazoany azy amin'ny fomba hafa tsy araka ny ilain'i Allah.

Tsy ho tanteraka ny fitarihana raha miala amin’ny famporisiana amin'ny tsara sy fandrarana amin'ny ratsy.

Ny fandikana marina ilay andininy dia hoe : Mifikira ianareo amin'ny fifehezana ny tenanareo manoloana ny fahotana, satria raha voafehinareo ny tenanareo ka tsy afaka mamporisika amin'ny tsara sy mandrara amin'ny hafa ianareo, dia tsy hahavoa anareo ny fahaverezan'izay mpanao zavatra voarara, raha nahitsy tamin'ny fiatahana fahotana ianareo.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (4/ 40) (2168).

Sonan Abo Daòd (6/ 393) (4338).

Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì (10/ 88) (11092).

Sonan Ibn Màjah (5/ 139) (4005).

Mosnad Ahmad (1/ 197) (16).

Ny Fanampiny (8)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 286).

كنوز رياض الصالحين.

مجموعة من الباحثين (4/ 126).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (2/ 454).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 218).