Skip to content

"Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa."

Tatitra azo avy tamin'i Abo O mama (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa."

«مَنْ قَرَأَ آيَةَ الْكُرْسِيِّ فِي دُبُرِ كُلِّ صَلَاةٍ مَكْتُوبَةٍ لَمْ يَمْنَعْهُ مِنْ دُخُولِ الْجَنَّةِ إِلَّا أَنْ يَمُوتَ».

Notantarain'i An-nasàì tao amin'ny Al-Kobra
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mamaky ny Ayat Al-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no mampiditra azy any amin'ny Paradisa. izany dia ao amin'ny Sorate Al-Bakarat ilay tenin'I Allah manao hoe: {I Allah, Tsy misy tompo afa tsy Izy irery ihany, Izy no Ilay velona sy mahavita tena. Tsy mba rendremana na matory, Azy izay rehetra any an-danitra sy ny ety an-tany, Tsy misy mpanelanelana Aminy afa tsy izay sitrany, mahafantatra ny eo am-pelatanany sy ny ambadiky ny voary izy, Tsy misy mahafehy ampahany amin’ny fahalalany afa tsy izay sitrany, manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza fiandrianany ary tsy zavatra mavesatra Aminy akory izany, Izy no Avo sy Be voninahitra}. [Al-Bakarat: 255].

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny maha zava-dehibe an'ity andininy ity : Noho fisian'ny anarana tsara sy ny Toetoetra ambony indrindra ao anatiny.

Tsara ny mamaky io andininy lehibe io isaky aorian'ny vavaka dimy isan'andro.

Ny asa soa no antony hidirana any amin'ny Paradisa.

Loharano iverenana
Ny Fanampiny (7)

المعجم الكبير.

للطبراني السنن الكبرى.

للنسائي (9/ 44) (9848).

توضِيحُ الأحكَامِ مِن بُلوُغ المَرَام.

للبسام (2/ 313).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (3/ 197).