"Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina
Tatitra azo avy amin'i Abou Omama niteny izy : Nitantara tamiko i Amro bin Abasa (R.A) nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) izy niteny manao hoe :
"Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina, koa raha afaka ny ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah amin'izany ora izany ianao, dia aoka hanao izany".
«أَقْرَبُ مَا يَكُونُ الرَّبُّ مِنَ العَبْدِ فِي جَوْفِ اللَّيْلِ الآخِرِ، فَإِنْ اسْتَطَعْتَ أَنْ تَكُونَ مِمَّنْ يَذْكُرُ اللَّهَ فِي تِلْكَ السَّاعَةِ فَكُنْ».
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fotoana maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia ao amin'ny ampahatelon'ny alina farany. Ka raha nohamevanina amin'izany ianao – ry mpino – sy afaka ho isan’ireo mpanao fanompoana, mpivavaka, mpahatsiaro ary mpibebaka amin’io fotoana io, dia zavatra tokony hararaotina izany sy hanaovana ezaka.
Mamporisika ny mpino silamo mba hanao Zikr amin'ny faran'ny alina.
Tsy mitovy lanjan'ny samy fotoana hoentina hanaovana zikr sy hataka ary ny vavaka.
Nilaza i Mirk : Momba ny maha-samihafa ny teniny hoe : “Ny fotoana maha akaiky ny Tompo amin’ny mpanompo” sy ny teniny hoe : “Ny maha akaiky ny mpanompo amin’ny Tompony dia rehefa izy miankohoka” : Ny tiana ho lazaina eto dia ny fanazavana ny fotoana maha akaiky kokoa ny Tompo amin’ny mpanompo, dia ny matonalina, ary ny tiana ho lazaina ery dia ny fanazavana ny toetoetra maha akaiky ny mpanompo amin’ny Tompo, dia izy eo am-piankohofana.
Sonan At-Tirmizì (5/ 537) (3579).
Sonan Abo Daòd (2/ 454) (1277).
Sonan An-Nasàì (1/ 279) (572).
Ny Fanampiny (8)
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (2/ 1019).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (5/ 509).
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (17/ 535).
مشكاة المصابيح.
للتبريزي (1/ 387).
Cited in books
2 BooksNy Fanampiny (2)
- الذكر والدعاء والعلاج بالرقي من الكتاب والسنة"أقرب ما يكون العبدُ من الرب في جوف الليل الآخر، فإن استطعت أن تكون ممن يذكر الله في تلك الساعة فكن" .
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلم«أَقْرَبُ مَا يَكُونُ الرَّبُّ مِنَ العَبْدِ فِي جَوْفِ اللَّيْلِ الآخِرِ فَإِنِ اسْتَطَعْتَ أَنْ تَكُونَ مِمَّنْ يَذْكُرُ اللَّهَ فِي تِلْكَ السَّاعَةِ فَكُنْ»[297].