Skip to content

"Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".

Tatitra azo avy tamin'i Abi Houraira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".

«لَيْسَ الشَّدِيدُ بِالصُّرَعَةِ، إِنَّمَا الشَّدِيدُ الَّذِي يَمْلِكُ نَفْسَهُ عِنْدَ الْغَضَبِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny tena tanjaka dia tsy ilay tanjakin'ny vatana, na koa ny hery aseho mba entina handresena ny olon-kafa, fa ny olona lazaina hoe matanjaka sy mahery dia izay mahavita mitazona sy miady mafy amin'ny tenany sy mandresy ny vatany ihany koa rehefa mirehitra ny fahatezerany. Satria izany dia tena Olona mampiseho ny tanjakany nohon'ny fifehezan-tena sy ny fandreseny an’i Satana.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny hasin'ny fandeferana sy ny fifehezan-tena rehefa amin'ny fotoana tezitra, ary izay dia tafiditra ho anisan'ny asa soa izay ampirisihin'ny finoana Islam ny rehetra mba tokony hanana an'izany.

Ny manohitra ny tena rehefa tezitra dia sarotra kokoa noho ny miady amin'ny fahavalo.

Ny Finoana Islam dia manova ny foto-pisainana izay nisy talohan'ny nahatongavany finoana Islam ho fitondran-tena mendrika ka ny olona matanjaka indrindra dia izay mahafehy ny tenany sy ny vatany.

Fahalavirana amin’ny fahatezerana; Noho ny fahavoazana aterany ho an’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 28) (6114).

Sahìh Moslim (4/ 2014) (2609).

(538).

Ny Fanampiny (7)

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 198).

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

للبسام (7/ 394).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

للهلالي (1/ 698).