Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

96 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (56)
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì Ibn Màjah ary Ahmad
"Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"Tena marina fa anisan'ny iray amin'ireo jiady lehibe indrindra dia ny tenin'ny fahamarinana manoloana ny mpitondra manao ny tsy rariny."
Hassane amin'ny ankoatrany Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"I Al-Hasan sy Al-Hossein no lehiben'ny tanora ao amin'ny Paradisa."
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Rehefa nivoaka avy tao amin'ny lavapiringa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : " Ny famelanao ry tompo Allah".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'ny Olona iray dia ny famelany tanteraka sy fiatahany ireo raharaha izay tsy mahakasika Azy.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad