Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

96 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (56)
“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo ary tsara kokoa ho anareo noho ny famoahana volamena sy ny vola, ary tsara kokoa ho anareo mihoatra fifandonanareo amin'ny fahavalonareo ka tapahinareo ny vozony ary hotapahainy ny vozonareo?" Namaly izy ireo hoe : Eny dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Ny fahatsiarovana an’i Allah ilay Tsitoha”.
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W) mba hitarika ny fivavahanay, ka hoy izy : “ka hitako izy, dia niteny tamiko hoe : “Teneno”, fa tsy niteny na inona na inona aho. Avy eo niteny indray izy hoe : "Teneno" ka hoy aho: Inona no holazaiko? Hoy izy : «{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
" Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ibn Màjah
Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho nilaza manao hoe niteny Allah Ilay avo indrindra : Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra ny fahotanao, ary avy eo nangataka famelan-keloka tamiko ianao, dia havelako ny helokao, ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha manatona Ahy miaraka amin’ny fahotana eran’ny tany ianao, ary avy eo nifanena tamiko ka tsy nampiombona Ahy tamin'ny zavatra hafa, dia hitondra famelan-keloka mitovy velarana ami'izany ho anareo Aho”.
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì
Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
“Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy : “Ny fambolen-kazo ao aminy dia ny fitenenana Sobhanallah Walhamdoulillahi Walailaaha illallaho Wallaho Akbar".
Tsara miaraka amin'ny porofo hafa Notantarain'i Al-Tirmizì