Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

44 of 665 cards

Clear filters
"Raha feno kollatainy ny rano dia tsy hitondra fahalotoana hoa azy."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad
Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay tonga manatrika ny Swalat jom'an dia aoka izy hisaika".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "Madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy". Amin'ny Bokhari kosa dia: Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Manaova ouzò ary sasao ny henatrao".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Rehefa nivoaka avy tao amin'ny lavapiringa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : " Ny famelanao ry tompo Allah".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
" Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika azy. "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nanao ouzò ny Mpaminany (S.A.W) ka nataony indray mandeha indray mandeha avokoa.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia aoka ho sasany im-pito izany.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim