"Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".
«يَنْزِلُ رَبُّنَا تَبَارَكَ وَتَعَالَى كُلَّ لَيْلَةٍ إِلَى السَّمَاءِ الدُّنْيَا حِينَ يَبْقَى ثُلُثُ اللَّيْلِ الْآخِرُ، يَقُولُ: «مَنْ يَدْعُونِي فَأَسْتَجِيبَ لَهُ؟ مَنْ يَسْأَلُنِي فَأُعْطِيَهُ؟ مَنْ يَسْتَغْفِرُنِي فَأَغْفِرَ لَهُ؟».
Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa i Allah ilay Avo Tsitoha dia midina amin'ny lanitra voalohany isan'alina rehefa tonga ny ampaha-telo farany amin'ny alina, ka mamporisika ny mpanompony rehetra mba hangataka Aminy satria hamaly an'izay mangataka Aminy Izy, ary mamporisika azy ireo hangataka Aminy izay rehetra tiany fa Izy dia hanome an'izay rehetra nangatahana aminy. Mamporisika azy ireo izy mba hangataka famelan-keloka Aminy, satria mamela ny mpanompony mahatoky Izy.
Fahasoavan'ny ampaha-telo farany amin'ny alina sy ny fanatanterahana ny Soalat ary fangatahana Doa'n sy ny famelan-keloka mandritra izany.
Rehefa mandre io Hadith io ny olona iray dia tokony hahay hanararaotra ny fotoana hamaliana ny fitalahoany.
Sahìh Moslim (1/ 521) (758).
Ny Fanampiny (3)
صحيح البخاري صحيح البخاري (2/ 53) (1145).
الإفصاح عن معاني الصحاح.
ليحيى بن هبيرة (6/ 195).
Cited in books
3 BooksNy Fanampiny (3)
- عقيدة أهل السنة والجماعة«من يدعوني فأستجيب له؟ من يسألني فأعطيه؟ من يستغفرني فأغفر له؟».
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (3)، والسيرة النبوية (3)التربية الإٍسلامية -3- «ينزل ربُّنا تبارك وتعالى كلَّ ليلةٍ إلى السماءِ الدنيا حين يبقى ثلثُ الليلِ الآخِرُ، يقول: من يدْعُوني فأستجيبَ له؟ من يسألُني فأعطيَه؟ من يستغفرُني فأغفرَ له»
- موسوعة الإيمان«يَنْزِلُ رَبُّنَا تبارك وتعالى كُلَّ لَيْلَةٍ إِلَى السَّمَاءِ الدُّنْيَا حِينَ يَبْقَى ثُلُثُ اللَّيْلِ الآخِرُ، يَقُولُ: مَنْ يَدْعُونِي فَأَسْتَجِيبَ لَهُ مَنْ يَسْأَلُنِي فَأُعْطِيَهُ، مَنْ يَسْتَغْفِرُنِي فَأَغْفِرَ لَهُ»