Skip to content

“Tsy tokony hisaraka amin’ny mpino vavy ny mpino lahy, fa raha misy tsy tiany ny toetran’ny vehivavy iray, dia mba afapo amin'ny hafa izy.”

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Tsy tokony hisaraka amin’ny mpino vavy ny mpino lahy, fa raha misy tsy tiany ny toetran’ny vehivavy iray, dia mba afapo amin'ny hafa izy.” Na koa hoy izy hoe : “ankoatrany”.

«لَا يَفْرَكْ مُؤْمِنٌ مُؤْمِنَةً، إِنْ كَرِهَ مِنْهَا خُلُقًا رَضِيَ مِنْهَا آخَرَ» أَوْ قَالَ: «غَيْرَهُ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nandrara ny lehilahy tsy hankahala ny vadiny loatra ny Mpaminany (S.A.W) izay mitarika amin’ny tsy rariny sy ny fandaozana ary ny fialana aminy. Ny olona dia tsy afa-miala amin'ny tsy fahalavorariana, ​​ary raha mankahala toetra ratsy iray izy dia mahita toetra tsara hafa ao aminy. Ka afa-po amin’ny tsara mifanaraka aminy izy, ary miaritra amin’ny ratsy izay tsy tiany, izay mahatonga azy hiaritra sy tsy hankahala azy loatra ka hanosika azy hiala aminy.

ireo dikan-teny

لا يفرك: لا يبغض.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fiantsoana ny mpino ho amin’ny rariny sy ny fitsaran'ny saina amin’izay fifandirana miseho amin’ny vadiny, ary tsy mirona amin’ny fihetseham-po sy ny hafanam-po miserana.

Ny fomban'ny mpino dia tsy mankahala tanteraka ny vehivavy mpino ka hanosika azy hisaraka aminy, fa ny tokony hataony dia hamafa ny zavatra halany amin'ilay tiany.

Famporisihana ny fahaiza-miaina tsara sy ny fiarahana eo amin'ny mpivady.

Miantso any amin'ny fitondran-tena tsara ny finoana, ka tsy tokony misy mpino lahy na vavy tsy manana toetra tsara. Ny finoana dia mitaky ny fisian’ny toetra mendri-piderana ao aminy.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (2/ 1091) (1469).

Ny Fanampiny (9)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 359).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (3/ 122).

فتح رب البرية بتلخيص الحموية.

لابن عثيمين (ص117).

مجموع فتاوى ابن باز (25/ 246).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 282).