"Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah"
Tatitra azo avy tamin'i Abo zarri (R.A) :
Hoy Abo Zarr (RA) ihany koa hoe : Nisy andian'olona tamin'ireo mpanara-dian'ny Irak'I Allah (SAW) no niteny taminy nanao hoe : Ry Irak'I Allah! Lasan'ireo mpanan-karena daholo ny valisoa; satria manao Swalat tahaka anay manao Swalat izy ireo, ary mifehy ohatra anay mifehy, saingy mbola mamoaka Swadakah amin'ny ambin-karenany koa izy ireo. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah". Dia hoy izy ireo hoe : Raha manatanteraka ny filam-batany (miaraka amin'ny vadiny) ve ny anankiray aminay dia ahazoany valisoa izany? Dia hoy izy hoe : Hitanareo! Raha nataony amin'ny làlana fady izany, tsy mahazo fahotana ve izy? Toraka izany ihany koa, raha ataony amin'ny làlana mety, dia ahazoany valisoa".
أَنَّ نَاسًا مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالُوا لِلنَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: يَا رَسُولَ اللهِ، ذَهَبَ أَهْلُ الدُّثُورِ بِالْأُجُورِ، يُصَلُّونَ كَمَا نُصَلِّي، وَيَصُومُونَ كَمَا نَصُومُ، وَيَتَصَدَّقُونَ بِفُضُولِ أَمْوَالِهِمْ، قَالَ: «أَوَلَيْسَ قَدْ جَعَلَ اللهُ لَكُمْ مَا تَصَّدَّقُونَ؟ إِنَّ بِكُلِّ تَسْبِيحَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَكْبِيرَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَحْمِيدَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَهْلِيلَةٍ صَدَقَةً، وَأَمْرٌ بِالْمَعْرُوفِ صَدَقَةٌ، وَنَهْيٌ عَنْ مُنْكَرٍ صَدَقَةٌ، وَفِي بُضْعِ أَحَدِكُمْ صَدَقَةٌ»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ، أَيَأتِي أَحَدُنَا شَهْوَتَهُ وَيَكُونُ لَهُ فِيهَا أَجْرٌ؟ قَالَ: «أَرَأَيْتُمْ لَوْ وَضَعَهَا فِي حَرَامٍ أَكَانَ عَلَيْهِ فِيهَا وِزْرٌ؟ فَكَذَلِكَ إِذَا وَضَعَهَا فِي الْحَلَالِ كَانَ لَهُ أَجْرٌ».
Nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanaradia mahantra momba ny toe-piainany sy ny fahantrany, ary ny tsy fananan'izy ireo fahefana mamoaka Swadakat mba hahazoana ny valisoa be toy ny rahalahiny izay manan-karena, satria manao asa soa toa azy ireo. Izany hoe mivavaka toy ny azy ireo, ary mifady hanina tahaky ny ataontsika mifady hanina, ary mamoaka fanomezana amin'ny ambim-bolany, fa isika kosa tsy mba manao swadaka! Notarihin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'izay azony omena amin'ny swadaka izy ireo, ka hoy izy : Tsy efa nomen'Allah anareo ve izay atolotrareo ho swadaka ho an'ny tenanareo?! Satria ny filazanareo hoe : (Soubhanallah - Voninahitra ho an'Allah) dia efa valisoa amin'ny Swadakat, ary toy izany koa ny filazana hoe : (Allahou Akbar - Allah no lehibe indrindra) dia swadaka, ary ny filazana hoe : (Alhamdoulillahi - fisaorana anie an'Allah) dia Swadaka, ary ny filazana hoe : (Lailaha Illallahou - Tsy misy tompo afa-tsy Allah) dia Swadakat, ary (famporoisihana amin'ny fanaovana tsara) dia Swadaka, ary (mandrara amin'ny ratsy) dia Swadaka, ary na dia manao firaisana amin’ny vadiny aza ny iray aminareo, dia Swadakat. Talanjona izy ireo ka niteny hoe : Ry irak'Allah ô, afaka manatanteraka ny faniriany ve ny iray aminay ka mahazo valisoa amin'izany?! Namaly izy : tsy hitanareo ve fa raha nampiasa izany tamin’ny zavatra voarara izy tamin’ny fijangajangana na zavatra hafa, dia ho meloka izy? Toy izany koa, raha mametraka izany amin'ny zavatra ara-dalàna izy, dia hahazo valisoa.
Nifaninana hanao asa soa ny mpanaradia, ary ny fahavononana hahazo valisoa lehibe sy fankasitrahana avy amin’I Allah Tsitoha.
Misy karazany maro ny asa soa, ary tafiditra ao anatin'izany ny asa rehetra ataon'ny silamo amin'ny finiavana sy fikasana tsara.
Ny fahamoran'ny finoana silamo, ka ny mpino silamo rehetra dia mahita zavatra atao mba hankato an'I Allah.
Hoy i Al-Nawawi : Amin'ity Hadith ity dia misy Porofo fa ny zavatra azo atao dia lasa fankatoavana amin’ny finiavana amin-kitsim-po, raha mikasa ny hanatanteraka ny zon’ny vadiny sy hifanerasera amin’ny vadiny amin’ny fomba ara-drariny izay nandidian’I Allah Tsitoha azy, na mitady zaza hendry, na ny fitazonana ny fahadiovany na ny fitazonana ny fahadiovan’ny vadiny ka manakana azy roa tsy hijery zavatra voarara, na mieritreritra an’izany, na aingam-panahy avy amin’izany, na fikasana tsara hafa.
Fametrahana ohatra sy fanoharana; Mba hanazavana kokoa tamin'ny mpihaino.
Sahìh Moslim (2/ 697) (1006).
Ny Fanampiny (8)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 201).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (2/ 161).
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (3/ 31).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 150).
Cited in books
10 BooksNy Fanampiny (10)
- الإسلام أصوله ومبادئه(وفي بضع أحدكم صدقة. قالوا: يا رسول الله! أيأتي أحدنا شهوته ويكون له فيها أجر؟ قال: أرأيتم لو وضعها في حرام أكان عليه وزر؟ فكذلك إذا وضعها في الحلال كان له أجر)[245].
- الخطب المنبريةموسوعة الخطب المنبرية (القسم الأول)«وَفِي بُضْعِ أَحَدِكُمْ صَدَقَةٌ»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللَّهِ! أَيَأْتِي أَحَدُنَا شَهْوَتَهُ وَيَكُونُ لَهُ فِيهَا أَجْرٌ؟ قَالَ: «أَرَأَيْتُمْ لَوْ وَضَعَهَا فِي حَرَامٍ أَكَانَ عَلَيْهَا فِيهَا وِزْرٌ؟ فَكَذَالِكَ إِذَا وَضَعَهَا فِي
- الصيام ومجموعة أسئلة في أحكامه«وَفِي بُضْعِ أَحَدِكُمْ صَدَقَةً»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ، أَيَأْتِي أَحَدُنَا شَهْوَتَهُ وَيَكُونُ لَهُ فِيهَا أَجْرٌ؟ قَالَ: «أَرَأَيْتُمْ لَوْ وَضَعَهَا فِي الحَرَامِ، أَكَانَ عَلَيْهِ فِيهَا وِزْرٌ؟ وَكَذَلِكَ إِذَا وَضَعَهَا فِي ا
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «أَرَأَيْتُمْ لَوْ وَضَعَهَا في حَرَامٍ أَكَانَ عَلَيْهِ فيها وِزْرٌ؟ فكذلكَ إذا وضَعَهَا في الحَلاَلِ كانَ لَهُ أَجْرٌ».
- مجموعة زاد الحديث(2)1«أَوَلَيْسَ قَدْ جَعَلَ الله لَكُمْ مَا تَصَّدَّقُونَ؟ إِنَّ بِكُلِّ تَسْبِيحَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَكْبِيرَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَحْمِيدَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَهْلِيلَةٍ صَدَقَةً، وَأَمْرٌ بِالْمَعْرُوفِ صَدَقَةٌ، وَنَهْيٌ عَنْ مُنْكَرٍ صَ
- مجموعة زاد الحديث(2)1«أوَليس قد جعل الله لكم ما تَصَّدَّقُون؟!»
- مجموعة زاد الحديث(2)1«وفي بِضع أحدِكم صدقة»
- مجموعة زاد الحديث(2)1«أَرَأَيْتُمْ لَوْ وَضَعَهَا فِي حَرَامٍ أَكَانَ عَلَيْهِ فِيهَا وِزْرٌ؟ فَكَذَلِكَ إِذَا وَضَعَهَا فِي الْحَلَالِ كَانَ لَهُ أَجْرٌ»،
- مجموعة زاد الحديث(2)1«وَفِي بُضْعِ أَحَدِكُمْ صَدَقَةٌ».
- موسوعة الأسئلة (المجموعة الأولى)أَنَّ نَاسًا مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ ﷺ قَالُوا لِلنَّبِيِّ ﷺ: يَا رَسُولَ اللهِ، ذَهَبَ أَهْلُ الدُّثُورِ بِالْأُجُورِ، يُصَلُّونَ كَمَا نُصَلِّي، وَيَصُومُونَ كَمَا نَصُومُ، وَيَتَصَدَّقُونَ بِفُضُولِ أَمْوَالِهِمْ. قَالَ: «أَوَلَيْسَ قَ