“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso ihany. Ary anisan’ny fisehoana ampahibemaso, ny fanaovan'ny olona zavatra amin’ny alina, dia nosaronan’i Allah izany nefa nony maraina, dia hoy izy : Nanao zavatra izao sy izao aho omaly, nefa ny tompony dia nanarona azy nandritra ny alina, ary nony maraina dia nesoriny ny fanakonan’i Allah azy”.
«كُلُّ أُمَّتِي مُعَافًى إِلَّا المُجَاهِرِينَ، وَإِنَّ مِنَ المُجَاهَرَةِ أَنْ يَعْمَلَ الرَّجُلُ بِاللَّيْلِ عَمَلًا، ثُمَّ يُصْبِحَ وَقَدْ سَتَرَهُ اللَّهُ عَلَيْهِ، فَيَقُولَ: يَا فُلاَنُ، عَمِلْتُ البَارِحَةَ كَذَا وَكَذَا، وَقَدْ بَاتَ يَسْتُرُهُ رَبُّهُ، وَيُصْبِحُ يَكْشِفُ سِتْرَ اللَّهِ عَنْهُ».
Nazavainy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo meloka dia mety hahazo famelan-keloka sy ny famindram-po avy amin'i Allah, afa-tsy izay manambara ny fahotana amin'ny fomba feno fieboeboana sy avonavona ka tsy mendrika ny famelan-keloka. Satria nanao fahotana tamin'ny alina izy ka nosaronan'i Allah, fa rehefa tonga ny maraina, dia nilaza tamin'ny olona izy fa nanao fahotana toy izao sy izao omaly, nefa efa nosaronan'ny Tompony tamin'ny alina, saingy noesoriny ny fanaronan'IAllah azy nony tonga ny maraina!!
...:
Ny maha ratsy ny fanehoana ampahibemaso ny fahotana taorian'ny nanaronan’I Allah ilay Tsitoha azy.
Ny fanambarana ampahibemaso ny fahotana natao dia fanaparitahana fahalotoam-pitondrahan-tena eo amin’ny mpino.
Izay nosaronan’i Allah teto an-tany, dia hosaroniny ihany koa any ankoatra, ary izany dia vokatry ny haben’ny famindrampon’I Allah Tsitoha amin’ny mpanompony.
Izay tafanao fahotana dia tokony hanafina ny tenany ary mibebaka amin’i Allah.
Ny halehiben'ny fahotan'ireo izay mpampiharihary ny fahotana ary tsy hahazo fahasitranana amin'ny tenany.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 20) (6069).
Sahìh Moslim (4/ 2291) (2990).
Ny Fanampiny (8)
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (3/ 15).
منار القاري شرح مختصر صحيح البخاري.
لحمزة قاسم (5/ 251).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 329).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
مجموعة من الباحثين (1/ 255).
Cited in books
5 BooksNy Fanampiny (5)
- الحقيقة المُبْهِرَة في العلاقة بين الإسلام والإنسان(كل أمتي مُعَافىً إلّا المجاهرين، وإنّ من المجاهرة أن يعمل الرجل بالليل عملاً ، ثم يصبح وقد ستره الله عليه، فيقول: يا فلان عملت البارحة كذا وكذا، وقد بات يستره ربه، ويصبح يكشف ستر الله عنه)[162].
- الله -جل جلاله- أنيس المحبين وملاذ القاصدين«كُلُّ أُمَّتِي مُعَافـًى إِلَّا المُجَاهِرِينَ، وَإِنَّ مِنَ المُجَاهَرَةِ: أَنْ يَعْمَلَ الرَّجُلُ بِاللَّيْلِ عَمَلًا، ثُمَّ يُصْبِحَ وَقَدْ سَتَرَهُ اللهُ عَلَيْهِ، فَيَقُوْلُ: يَا فُلاَنُ! عَمِلْتُ البَارِحَةَ كَذَا وَكَذَا، وَقَدْ بَا
- ترجمة المقاطع المرئية - مشروع هدايات 1(كل أُمتي معافى إلا المجاهرين)
- قاموس الكبائر موسوعة الكبائر - المجموعة الأولى«كُلُّ أُمَّتِي مُعَافى إِلَّا المُجَاهِرِيْنَ» [178].
- قاموس الكبائر«كُلُّ أُمَّتِي مُعَافى إِلَّا المُجَاهِرِيْنَ» [178].