Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ireo mpino (R.A) niteny :
Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
أَنَّ أُمَّ سَلَمَةَ ذَكَرَتْ لِرَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَنِيسَةً رَأَتْهَا بِأَرْضِ الْحَبَشَةِ، يُقَالُ لَهَا مَارِيَةُ، فَذَكَرَتْ لَهُ مَا رَأَتْ فِيهَا مِنَ الصُّوَرِ، فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أُولَئِكَ قَوْمٌ إِذَا مَاتَ فِيهِمُ الْعَبْدُ الصَّالِحُ، أَوِ الرَّجُلُ الصَّالِحُ، بَنَوْا عَلَى قَبْرِهِ مَسْجِدًا، وَصَوَّرُوا فِيهِ تِلْكَ الصُّوَرَ، أُولَئِكَ شِرَارُ الْخَلْقِ عِنْدَ اللهِ».
Nitantara tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny Renin'ny mpino Ommou Salama (R.A) fa tamin'izy tany amin'ny tanin'i Abyssinia, dia nahita fiangonana iray - antsoina hoe Maria - nisy sary sy haingo ary sary vongana, noho ny fahagagany amin'izany izy! Nanazava ny antony nametrahana ireo sary ireo ny Mpaminany (S.A.W); Ka niteny izy : Ireo olona lazainao ireo dia raha misy olona iray mendrika maty eo amin'izy ireo, dia hanorenan'izy ireo moske eo ambonin'ny fasany, hivavahana ary hanamboaran'izy ireny sary ireny. Nohazavainy fa izay manao izany dia zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah ilay Tsitoha. Satria ny fihetsika izany dia mitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy.
...:
Fandrarana ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana, na ny fivavahana eo aminy, na ny fandevenana ny maty ao amin'ny moske; mba tsy hahatongavana amin'ny fanompoan-tsampy.
Ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana sy ny fametrahana sary ao anatiny dia asan'ny Jiosy sy ny Kristianina, ary izay manao izany dia mitovy amin'izy ireo.
Fandrarana ny fanaovana sary ireo zava-mananaina.
Na iza na iza manorina moske eo ambonin’ny fasana sy mametraka sary ao anatiny, dia tafiditra ho isan’ny zavaboarin’i Allah ratsy indrindra.
Ny lalàna silamika dia miaro tanteraka ny làlana mankany amin'ny fanokanana an'I Allah, amin'ny fanakanana ny fomba rehetra mety hitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
Mandrara ny fihoaram-pefy amin'ireo olona mendrika; Satria izany no antony mety hampienjera any amin'ny fanompoan-tsampy.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 94) (434).
Sahìh Moslim (1/ 375) (528).
Ny Fanampiny (14)
مرقاة المفاتيح.
لعلي القاري (7/ 2857).
توضيح الأحكام مِن بلوغ المرام.
لعبد الله البسام (2/ 115).
فتح ذي الجلال والإكرام شرح بلوغ المرام.
لابن عثيمين (1/ 598).
منحة العلام في شرح بلوغ المرام.
لعبد الله الفوزان (2/ 469).
تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.
لعبد الله البسام (ص290).
الجديد في شرح كتاب التوحيد.
لمحمد القرعاوي (ص183).
الملخص في شرح كتاب التوحيد.
لصالح الفوزان (ص168).
Cited in books
6 BooksNy Fanampiny (6)
- التوحيد في ضوء عقيدة الإمام الشافعي رحمه الله ونصوصه ومروياته"أولئك إذا مات فيهم الرجل الصالح- أو العبد الصالح - بنوا على قبره مسجدا، وصوروا فيه تلك الصور، أولئك شرار الخلق عند الله".([81])
- الصلاة التي علمها النبي ﷺ الصحابة رضي الله عنهمالصلاة التي علمها النبي ﷺ الصحابة رضي الله عنهم«إِنَّ أُولَئِكَ، إِذَا كَانَ فِيهِمُ الرَّجُلُ الصَّالِحُ، فَمَاتَ، بَنَوْا عَلَى قَبْرِهِ مَسْجِدًا، وَصَوَّرُوا فِيهِ تِلْكِ الصُّوَرَ، أُولَئِكِ شِرَارُ الْخَلْقِ عِنْدَ اللهِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ»[344].
- الصلاة التي علمها النبي ﷺ الصحابة رضي الله عنهم«إِنَّ أُولَئِكَ، إِذَا كَانَ فِيهِمُ الرَّجُلُ الصَّالِحُ، فَمَاتَ، بَنَوْا عَلَى قَبْرِهِ مَسْجِدًا، وَصَوَّرُوا فِيهِ تِلْكِ الصُّوَرَ، أُولَئِكِ شِرَارُ الْخَلْقِ عِنْدَ اللهِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ»[344].
- حراسة التوحيدالتحذير من بناء المساجد على القبور«أُولَئِكَ إِذَا مَاتَ فِيهِمُ الرَّجُلُ الصَّالِحُ؛ بَنَوْا عَلَى قَبْرِهِ مَسْجِدًا، وَصَوَّرُوا فِيهِ تِلْكَ الصُّوَرَ، أُولَئِكَ شِرَارُ الْخَلْقِ عِنْدَ اللَّهِ».
- شرح الصدور بتحريم رفع القبور«أُولَئِكَ قَوْمٌ إِذَا مَاتَ فِيهِمُ الْعَبْدُ الصَّالِحُ، أَوِ الرَّجُلُ الصَّالِحُ، بَنَوْا عَلَى قَبْرِهِ مَسْجِدًا، وَصَوَّرُوا فِيهِ تِلْكَ الصُّوَرَ، أُولَئِكَ شِرَارُ الْخَلْقِ عِنْدَ اللهِ»[5].
- شرح الصدور بتحريم رفع القبور«أُولَئِكَ قَوْمٌ إِذَا مَاتَ فِيهِمُ الْعَبْدُ الصَّالِحُ، أَوِ الرَّجُلُ الصَّالِحُ، بَنَوْا عَلَى قَبْرِهِ مَسْجِدًا» [27]