Skip to content

"Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :

"Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".

«مَنْ كَذَبَ عَلَيَّ مُتَعَمِّدًا فَلْيَتَبَوَّأْ مَقْعَدَهُ مِنَ النَّارِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza mazava tsara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay minia mandainga ny aminy, amin'ny alàlan'ny teny na fihetsika dia hipetraka any amin'ny Afobe izy any ankoatra. Sazy noho ny lainga nataony ny amin'ny Mpaminany (S.A.W).

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny mandainga ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) fanahy iniana sy an-tsitrapo dia antony mampiditra amin'ny Afobe.

Ny lainga atao ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mitovy amin'ny lainga atao amin'ny olon-kafa rehetra, noho ny faharatsiana lehibe aterak'izany eo amin'ny finoana sy ny eto an-tany.

Fampitandremana amin'ny fampielezana hadith mialohan'ny fanamarinana sy famotopotorana ny fahamarinan'ny fifandraisany amin'ny Mpaminany (S.A.W).

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 33) (110).

Sahìh Moslim (1/ 10) (3).

Ny Fanampiny (5)

إكمال المعلم (1/111).

شرح النووي على مسلم (1/65).

المفهم (1/32).

عمدة القاري شرح صحيح البخاري (2/ 151).

شرح مقدمة سنن ابن ماجه (5/ 8).