Skip to content

"Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho."

Tatitra azo avy amin'i Oussam Ibn Zayd (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho."

«مَا تَرَكْتُ بَعْدِي فِتْنَةً أَضَرَّ عَلَى الرِّجَالِ مِنَ النِّسَاءِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza i Mpaminany (S.A.W) fa tsy namela tao aoriany ny fitsapana na fakampanahy mahery vaika izay manimba mihoatra ny fakampanahy eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy; Raha anisan’ny ankohonany ilay vehivavy, dia vosedra izy fiarovana azy amin’ny fandikan-dalàna, ary raha olon-tsy fantatra (tsy ankohonany) kosa ilay vehivavy, dia vosedra izy amin’ny fifangaroany sy ny fiarahany mitakosina aminy ary ny faharatsiana aterak’izany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny tokony ataon'ny mpino silamo dia mitandrina amin'ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary manidy ny làlana rehetra izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.

Tokony hifikitra amin’Allah ny mpino ary maniry mba ho voaro amin’ny fakam-panahy.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (7/ 8) (5096).

Sahìh Moslim (4/ 2097) (2740).

Ny Fanampiny (3)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (373).

فتح الباري لابن حجر (9/ 138).