“Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.”
Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah niteny hoe :
“Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.” Avy eo niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tompo Allah ô! Ianao no Mpamadibadika ny fo, ka apetraho eo amin'ny fankatoavana anao ny fonay".
«إِنَّ قُلُوبَ بَنِي آدَمَ كُلَّهَا بَيْنَ إِصْبَعَيْنِ مِنْ أَصَابِعِ الرَّحْمَنِ، كَقَلْبٍ وَاحِدٍ، يُصَرِّفُهُ حَيْثُ يَشَاءُ» ثُمَّ قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «اللهُمَّ مُصَرِّفَ الْقُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ».
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nampahafantatra fa ny fon’ny zanak’i Adama rehetra dia eo anelanelan’ny rantsantanan’Ilay Mpamindra fo ary toy ny fo iray. Ataony amin’izay tiany anaovana azy; Raha sitrany dia apetrany amin’ny fahamarinana izany, ary raha sitrany, dia ataony hiala amin’ny fahamarinana, ary ny famadiany azy ao amin’ny fo rehetra dia tahaka ny fitondran-tenan’ny olona iray, ary Allah Tsitoha tsy mibahana azy amin’ny raharaha iray aorian’izany. Avy eo dia nanao Douan i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Allah ô, Ianao no Mpamadibadika ny fo indraindray mankany amin'ny fankatoavana ary indraindray any amin'ny fahotana, indraindray amin’ny fahatsiarovana ary indraindray amin’ny tsy fitandremana. Ka atsatohy ao anaty fankatovana anao ny fonay.
Porofon’ny anjara, ary Allah no mitantana ny fon’ny mpanompony araka ny anjara izay efa nosoratany ho azy ireo.
Ny mpino silamo dia tsy maintsy mangataka mandrakariva amin'ny Tompony mba tsy hivadika amin'ny fahamarinana sy ny fitarihana.
Ny fahatahorana an’I Allah sy ny firaiketam-po Aminy irery ihany, tsy misy mpiara-miasa.
Hoy i Al-Ajri : Ny olon’ny fahamarinana dia mamaritra an’I Allah ilay Tsitoha amin’izay nambarany ny Tenany, amin’izay namaritan’ny irak’Allah azy, ary amin’izay nambaran’ny mpanaradia azy ireo, ary izany no foto-pampianaran’ny manam-pahaizana izay mpanaraka sy tsy namorona zava-baovao. vita. Ny Sonnit dia manamafy amin'I Allah izay nohamafisiny momba ny tenany amin'ny anarana sy ny toetra tsy misy fanodinkodinana, fanakorontanana, fanamafisana na fanehoana, ary mandà amin'I Allah izay nolaviny avy Aminy, ary mangina amin'izay tsy lavina no tsy voamarina, niteny I Allah manao hoe: (Tsy misy mitovy Aminy, ary Izy no Mandre sy Mahita ny zava-drehetra).
Sahìh Moslim (4/ 2045) (2654).
Ny Fanampiny (4)
المنهاج شرح صحيح مسلم بن الحجاج.
للنووي (16/ 204).
فيض القدير شرح الجامع الصغير.
للمناوي (2/ 379).
Cited in books
11 BooksNy Fanampiny (11)
- أدعية جامعةاللَّهمَّ مُصَرِّف الْقُلُوب صَرِّفْ قُلُوبنَا عَلَى طَاعَتك.
- أدعية جامعةأدعية جامعة (للحرمين)22. «اللَّهُمَّ مُصَرِّفَ الْقُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ».
- الدعاء من الكتاب والسنة الدعاء ويليه العلاج بالرقى من الكتاب والسنة (للوزارة)69- ((اللَّهُمَّ مُصَرِّفَ القُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ)).
- الدعاء ويليه العلاج بالرقى من الكتاب والسنةالدعاء من الكتاب والسنة69- «اللَّهُمَّ مُصَرِّفَ القُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ»[31].
- الذكر والدعاء والعلاج بالرقي من الكتاب والسنة"اللهم مُصَرِّف القلوب صرف قلوبنا على طاعتك" .
- المختصر في آداب السفر وصفة الحج والعمرة وآداب الزيارة والأدعية الجامعة مع ملحق بالفتاوى والمخالفات4- أدعية جامعة (للحرمين)«اللَّهُمَّ مُصَرِّفَ الْقُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ».
- تطبيق القرآن والأذكارأدعية النبي صلى الله عليه وسلم 69- ((اللَّهُمَّ مُصَرِّفَ القُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا عَلَى طَاعَتِكَ))[83].
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 7«اللهم مُصَرِّفَ القُلُوبِ صَرِّفْ قُلُوبَنَا علىٰ طاعتِكَ».
- موسوعة الإيمان«إِنَّ قُلُوبَ بَنِي آدَمَ كُلَّهَا بَيْنَ إِصْبَعَيْنِ مِنْ أَصَابِعِ الرَّحْمَنِ، كَقَلْبٍ وَاحِدٍ يُصَرِّفُهُ حَيْثُ يَشَاءُ».
- موسوعة الإيمان«إِنَّ قُلُوبَ بَنِي آدَمَ كُلَّهَا بَيْنَ إِصْبَعَيْنِ مِنْ أَصَابِعِ الرَّحْمَنِ».
- نبراس طالب (1)1«إِنَّ قُلُوبَ بَنِي آدَمَ كُلَّهَا بَيْنَ إِصْبَعَيْنِ مِنْ أَصَابِعِ الرَّحْمَنِ، كَقَلْبٍ وَاحِدٍ، يُصَرِّفُهُ حَيْثُ يَشَاءُ»